Politique

Rodobe Toamasina “Mila misafidy ny Praiminisitra : na ny vahoaka na ny FAT”


  • Alarobia 25 Janoary 2012

Nampiantso mpanao gazety nilazany ny heviny sy ny fepetra horaisiny ary ny fanamelohana ny zava-nisy nanomboka ny 17 janoary sy ny 21 janoary teo ny mpitarika ny Rodobe Toamasina notarihan’ny filohany Kotomanantsoa Rémi.

 “Helohanay marindrano ny fihetsika manohintohina ny tondrozotra niarahana nanao sonia”, hoy ity farany. “Nanapaka samy irery ny fanakatonana ny seranam-piaramanidina ny filohan’ny FAT ka tsy nahafahan’ny filoha Ravalomanana niditra sy niverina an-tanindrazana”. Nahitsy tamin’ireo mpikamban’ny Rodobe Toamasina mihitsy nilaza fa “mila mandray fepetra haingana ny praiminisitra Beriziky Jean Omer, na izy hiaraka amin’ny vahoaka izay leo ny fanovana mampahantra ny Malagasy, na izy hiray petsapetsa amin’ny FAT, ka hotsarain’ny vahoaka tamin’ny teny nataony fony nandray ny toerana maha praiminisitra azy”. Miandry ny vokatry ny dinika sy fampiantsoana maika ny mpanao politika Malagasy sy ny mpitondra FAT any Pretoria Afrika Atsimo ny hetsika manaraka hataon’ny Rodobe, na efa nandray fepetra ny hampiatona ny fandraisany anjara amin’ny raharaham-panjakana rehetra ny ankolafy Ravalomanana.
Rakoutou

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Nipoitra i Haingo Ravatomanga
  • Zoma 09 Oktobra 2026

Nitantara ny fitsoahana

  • KOLONELY GERVAIS
  • Zoma 09 Oktobra 2026

Mila mianatra mandeha irery isika

  • Vondrona
  • Zoma 09 Oktobra 2026

sy vovonana politika samihafa

  • Dinika fanavotam-pirenena
  • Zoma 09 Oktobra 2026

"Andao aloha

  • Catherine
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

VAUTRIN

  • POLITIKA
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

Mandeha ny kajikajy

Hijery ny tohiny
FTT