Politique

Rodobe Toamasina Miborioka ny tondrozotra


  • Alakamisy 22 Desambra 2011

Namoaka fanambarana ny Rodoben´ny Malagasy Toamasina noho ireo zava-misy iainan´ny firenena sy ny vahoaka Malagasy ankehitriny.

 Nambaran´izy ireo taorian’ny fivoriambe nataon´izy ireo ny alatsinainy 12 desambra teo fa “korontana ny any Toliara, mioko ireo polisy sy ny mpitsara, marefo ny firaisam-pirenena, mahantra ny vahoaka, tsy voahaja ny fampiharana ny tondrozotra”. Noporofoin´ny Rodobe Toamasina hatrany fa “ny fananganana ny governemanta sy ny parlemanta CST sy ny CT dia lasa raharaham-pianakaviana sy akamakama ny fanendrena natao, tsy hita soritra ny fampiharana ny andininy sasantsasany amin´ny tondrozotra izay miantoka ny fitoniana ara-politika sy ara-tsosialy”.

Vokatr’izay dia mitaky ny fampiharana ny andininy faha-39 amin´ny tondrozotra ho an´ireo minia sy mandika vilana ny fampiharana azy ny Rodobe Toamasina. Manohana ny fanatanterahana ny fihaonana an-tampony iarahana amin´ny samy Malagasy koa izy ireo, izay heveriny ho vahaolana maharitra sady tsara mba hialan´ny firenena amin´izao krizy lava izao. Niara-nanao sonia ity fanambarana ity ireo mpiara-mitantana ny Rodobe Toamasina, Atoa isany Kotomanantsoa Rémi (filoha), Michel Davy sy Manjarison (filoha lefitra), Efadahy Théodore (ankolafy Zafy) sy Dahy Emilien (ankolafy Ratsiraka).

Rakoutou

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Nipoitra i Haingo Ravatomanga
  • Zoma 09 Oktobra 2026

Nitantara ny fitsoahana

  • KOLONELY GERVAIS
  • Zoma 09 Oktobra 2026

Mila mianatra mandeha irery isika

  • Vondrona
  • Zoma 09 Oktobra 2026

sy vovonana politika samihafa

  • Dinika fanavotam-pirenena
  • Zoma 09 Oktobra 2026

"Andao aloha

  • Catherine
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

VAUTRIN

  • POLITIKA
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

Mandeha ny kajikajy

Hijery ny tohiny
FTT