Politique

Rodobe Toamasina Manome herinandro ny FAT handinihany tena


  • Alatsinainy 12 Septambra 2011

Nitohy ny sabotsy tolakandro teo, tao an-tokotanin’ny Magro Tanambao V ny hetsiky ny Rodobe Toamasina. Andiany faha-7 izy ity.

 Nampiaka-peo ireo mpitarika sy ireo mpiara-mitolona rehetra ary ny vahoaka tonga nilaza fa “omena herinandro handinihany tena ny FAT, hamahana ny olana araka izay efa tapaky ny SADC”. Dila io fe-potoana io ka miziriziry hanohy ny taritokana ny FAT dia mandrahona hidina an-dalambe ny vahoaka ao Toamasina. Nilaza ampahibemaso mihitsy ny filohan’ny Rodobe Toamasina, Kotomanatsoa Rémi, fa ny tenany mihitsy no hataony sorona hitarika ny vahoaka hidina an-dalambe io hitaky ny famahana ny krizy ka hametrahana tetezamita iraisana sy ny fampodiana tsy misy hatak’andro ireo sesitany politika rehetra tsy misy fepetra.

Nohamafisin’ny Me Rasamimaka Mahefalahy izany ka nanambarany fa raha tsy hanaraka ny tapaky ny vondrona iraisam-pirenena amin’ny famahana ny olana ny FAT, dia “isika vahoaka no hiditra an-tsehatra hanala azy eo. Raha nandray fitenenana kosa i Fanony Fulgence dia nilaza mazava fa tsy ilain’ny fiarahamonina izany olona na vondron’olona tsy mila fampihavanam-pirenena izany ka “raha tsy hanao izany ny FAT dia fahavalom-bahoaka, ka tsy maintsy miala satria Iaban’ny krizy nampahantra ny firenena”. Na ny Pastera Edouard Tsarahame, na ny depiote isany Randrianjatovo Henri sy Rakotomanjato Rodin, izay tonga manokana tany an-toerana dia samy nilaza avokoa fa “nampahantra ny Malagasy Rajoelina, ary namarotra tanindrazana tamin’ny Frantsay”. Ankoatra izay dia nanentana ireo mpiara-mitolona ao an-toerana izy ireo, hanamafy ny firaisankina sy ny fihavanana.

 

Rakoutou

 

Sary : Hetsiky ny Rodobe tao amin’ny Magro Tanambao V

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Catherine
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

VAUTRIN

  • POLITIKA
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

Mandeha ny kajikajy

  • ZAZA RAMANDIMBIARISON
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

Tsy tokony ho tara ny

  • Pastera Heritiana
  • Talata 06 Oktobra 2026

_Fampandrosoana an’i Madagasikara

  • FAMPIHAVANANA POLITIKA
  • Talata 06 Oktobra 2026

Tsy tokony atao fitaovana

  • Fikaonandoham-pirenena
  • Alatsinainy 05 Oktobra 2026

Ny Mpitandrina Barinarivo

Hijery ny tohiny
FTT