Politique

Rodobe Toamasina “Fitondrana mataho-behivavy ny FAT”


  • Alatsinainy 13 Febroary 2012

Ambohipihaonan’ny Rodobe Toamasina tao amin’ny sekoly “Sun Light” Mangarivotra Avaratra ny faran’ny herinandro teo.

 Tazana tao ireo mpitarika samihafa, notarihin’ny filohany Kotomanantsoa Rémi sy ny filoha lefiny roa, Rasamimaka Mahefalahy sy Dahy Emilien, izay notronin’ny praiminisitra lefitra Botozaza Pierrot. Nandritra izany no nilazan’ity farany fa “ity fitondrana tetezamita ity, no fitondrana voalohany teto amintsika tao anatin’ny 52 taona nahazoana ny fahaleovantena, mataho-behivavy sy manilika Reny ary manao tsinontsinona anabavy”. “Mety azy (FAT) ny tanjaka ankehitriny, fa rahampitso dia tsy fantatra izany”, hoy ireto ekipan’ny Rodoben’i Toamasina ireto. “Tsy hisy zava-banona eto raha tsy misy ny fifamelana sy ny famotsoran-keloka, satria tsy misy mpitondra madio izany eo, na mpitondra tsy mihosin-dra ny tanany”.

Ankoatra izany, nasiaka ny praiminisitra lefitra nilaza fa “efa mandeha ary betsaka ny resy lahatra amin’ny tsy maintsy hampiharana ny tondrozotra, araka ny voasoratra tsy hasiana fandikana vilana. Tao anatin’ny 52 taona nahazoana ny fahaleovantena rahateo, ity fitondrana FAT ity no fitondrana tsy misy voafidim-bahoaka, ka tsy manan-jo miteny amin’ny anaran’ny vahoaka”. “Tsy hisy fifidianana azo tanterahina izany, raha tsy efa misy ny fitoniana, ka miantoka izany ny famotsoran-keloka faobe”, raha namarana ny fanazavany sy ny fanentanany ireto Rodoben’i Toamasina ireto.

Rakoutou

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Nipoitra i Haingo Ravatomanga
  • Zoma 09 Oktobra 2026

Nitantara ny fitsoahana

  • KOLONELY GERVAIS
  • Zoma 09 Oktobra 2026

Mila mianatra mandeha irery isika

  • Vondrona
  • Zoma 09 Oktobra 2026

sy vovonana politika samihafa

  • Dinika fanavotam-pirenena
  • Zoma 09 Oktobra 2026

"Andao aloha

  • Catherine
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

VAUTRIN

  • POLITIKA
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

Mandeha ny kajikajy

Hijery ny tohiny
FTT