Tontosa ny zoma 2 sy sabotsy 3 desambra teo tetsy amin’ny ANS Ampefiloha ny filankevi-pirenena Rodobe Matsilo (Rodobe ho an’i Madagasikara TSImialonjafy LOvantsika) nandraisana mpikambana nahatratra 200 manerana ny Nosy.
Nambaran’ny filoha mpiara-mitantana ity antoko ity, Atoa Ranjivason Jean Théodore, fa fandinihana ny sata hifampifehezana mifanaraka amin’ny lalàna vaovao mifehy ny antoko politika tamin’ny 18 aogositra 2011 izay mametra fa ny antoko politika izay mitsangana dia tsy maintsy manana vinam-piarahamonina no natao tamin’ireo roa andro ireo ary koa fanavaozana ny birao mpitantana ka namerenan’ny mpikambana fitokisana indray amin’ny filoha mpiara-mitantana mirahalahy sy nifidianana Sekretera jeneraly vaovao dia Atoa Randrianaivoarivony Jeannot. Heverinay, hoy Atoa Ranjivason, fa ny tsy nampandeha hatramin’izay dia ny tsy fananana vinam-piarahamonina na naka tahaka vinam-piarahamonina avy any ivelany. Mijaly ny vahoaka hoy ny Matsilo tao anatin’ny fehin-kevitra, nihena ny harin-karena faobe. Anisan’ny tompon’andraikitra ny Matsilo satria tao anaty fitondrana hatrany nefa nambaran’Atoa Ranjivason fa ny tsy fisian’ny fiombonana ezaka teo amin’ny governemanta nifandimby hatramin’izay no fositra.
Tsy nisy ny firindran’ny asa ka na dia niezaka irery aza izahay taloha amin’ny fampananana asa ny tanora nefa tsy nisy fiaraha-mientana (Vohijoro, Tafita, Vatsy) izay no nahatonga anay haka fahalalan-tsaina hoe hanova ny fomba fanao mba hampandroso amin’izay ity firenena ity. Izahay efa hatramin’ny 2009, hoy ny mpiara-mitantana ny Matsilo Atoa Joseph Yoland, no efa niteny foana fa tsy mahavaha olana ny politika. Ny olantsika eto Madagasikara, hoy izy, dia krizy ara-toekarena sy ara-bola ka tsy ho afaka ny fahantran’ny vahoaka Malagasy raha mbola io politika sy fitadiavan-tseza io no atao. Ka tsy maintsy misy ny vinam-piarahamonina ary fanovana ny rafitra ekonomika ihany no vahaolana. Efa misy manerana ny distrika eto Madagasikara ny Matsilo ka midika izany fa vonona amin’ny fifidianana ho avy rehetra izahay, hoy ny fanamarihana azo. Somary nahagaga ny mpanotrona ihany moa ny resaka arofenitra tamin’ny lanonam-pamaranana satria taorian’ny famaranana ofisialy sy fandraisam-pitenenan’ny olobe nasaina dia mbola nomena fitenenana indray ireo naman’ny filoha Ranjivason nasaina toy ny CST Manandafy... Tao koa ny minisitra isany Pierrot Rajaonarivelo sy Tabera Randriamanantsoa izay nahazo tehaka saika tsy nisy fijanonany noho ny filohan’ny Matsilo aza.
Manohy
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.