Politique

Rodobe Antsirabe Mitohy ny tolona, mandra-pigadon’ny filoha Ravalomanana eto


  • Alatsinainy 19 Septambra 2011

Sesilany ny fanehoan-kevitry ny olona taorian’iny fahavitan’ny sonian’ny tondrozotra tamin’ny 17 septambra iny ary hatramin’izao aza dia tsy vitsy no mihevitra fa ampitaka ataon’ny FAT sy mpomba azy ihany iny.

 Ho an’ny Rodobe Vakinankaratra izay tarihin’Atoa Rakotomamonjy Roland Michel dia vao dingana fotsiny iny aminy fa ny fampiharana ireo pitsopitsony no tena andrasana. Nilaza aza moa izy fa “tsy matoky ny fihetsiky ny FAT izay efa mpivadika amin’ny teniny matetika ary mpitsipaka sonia ihany koa”. Ka amin’izy ireo dia tsy mijanona mihitsy ny tolona ao amin’ny Magro fa mitohy hatrany raha tsy migadona eto soa aman-tsara ary hitan’izy ireo vatana ny filoha Marc Ravalomanana. Nanamafy ity mpitarika ity fa ankoatra ny tolona famerenana ny filoha Ravalomanana eo amin’ny fitondrana dia efa mivonona ihany koa ry zareo amin’ny fanohanana azy amin’ny ady amin’ny fahantrana ka hifanome tanana aminy. Na izany aza aloha dia nafana tanteraka ny hetsika ary vory lanona tanteraka ny mpomba ny filoha Ravalomanana tamin’io sabotsy io ary dia mbola hifamotoana ao amin’ny Magro hatrany ry zareo isaky ny alarobia sy ny sabotsy mandra-pahatonga ny filoha eto Madagasikara.

 

Caïus R.

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Praiminisitra Mamitiana Rajaonarison
  • Alakamisy 07 Mey 2026

« Tsy tia an’i Madagasikara

  • Namaly an’i Roland Ratsiraka
  • Alakamisy 07 Mey 2026

ireo fiarahamonim-pirenena

  • Pr Joseph
  • Alarobia 06 Mey 2026

« Ara-dalàna sy valin'ny nataony

  • Fanenjehana an-dRajoelina
  • Alarobia 06 Mey 2026

Hosantarina amin’ny

  • Mbola mafana ny dosie Raholdina
  • Alarobia 06 Mey 2026

Mifanipaka ny resaky ny PAN

  • Antenimierampirenena
  • Alarobia 06 Mey 2026

Raharaha maro hodinihina anatin’ny 60 andro…

Hijery ny tohiny
FTT