Tonga nanampy sy nitondra ny anjara birikiny amin'ny fanamboarana ny tetezana tapaka eo amin'ny kaominina Antambolo, distrikan’Arivonimamo, ny depiote voafidy tao an-toerana, Rodin Rakotomanjato.
Simenitra, vy, vatokely ary ny karaman'ny mpandrafitra no niantohany, raha ny fanazavana. Vato malao sy heri-tsandry kosa no anjaran'ny vatan-dehilahy sy ny fokonolona. Tsy bala rora sy fampandriana adrisa no andrasan'ny vahoaka fa asa, hoy izy, rehefa tsy hanao ny mpanatanteraka sy ny fanjakana dia tonga aho manampy anareo. Miantoka ny famoaham-bokatra ao amin'ny kaominina moa io lalana io ka dia hisitraka indray izany ny vahoaka noho ny fiaraha-miasan'ny roa tonta, hoy hatrany ny fanazavana.
J. Mirija
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.