Somary nipirina sy tsy re feo firy ireo kandida filoham-pirenena nisafidy ny hanohana an’i Andry Rajoelina tamin’ny fihodinana faharoa sy ireo mpanao politika sasany lohandohan’ny mpisorona akaiky an-dRajoelina,
izay tsy mbola nahazo toerana hatreto. Azo antoka fa nisy ny naniry ny mba hatao minisitra, saingy tsy tafiditra. Tsy voatery ho minisitra vao afaka handray anjara amin’ny fampandrosoana, hoy i Andry Rajoelina, tamin’ny fampahafantarana ireo mpikamban’ny governemanta ny 24 janoary. Ho an’ny mpikatroka ao anatin’ny Vondrona ARMADA, dia ny antoko MMM (Malagasy Miara-Miainga) no nahatafiditra minisitra miisa roa dia ny filoha mpanorina Hajo Andrianainarivelo miandraikitra ny fanajariana ny tany sy Rtoa Marie Thérèse Volahaingo, izay voatendry ho minisitry ny fanabeazam-pirenena sy ny fampianarana teknika ary ny fanofanana arak’asa. Teo ihany koa ny antoko Maitso tamin’ny alalan’Atoa Alexandre Georget izay filoha mpanorina. Ny MAPAR mazava ho azy, dia manana minisitra maro ao. Inona kosa ny tambiny ho an’ny Avana an’ingahy Jean Louis Robinson ? Ny Iaraka Isika an’Atoa Camille Vital ? Kandida filoham-pirenena nisafidy nanohana an’i Andry Rajoelina ihany koa i Roland Ratsiraka, Joseph Martin Randriamampionona na Dadafara, Jean Ravelonarivo,… Raha ny feo mandeha dia mety homena toerana, ka hotendrena ho governoran’ny faritra any Matsiatra Ambony i Dadafara, any Atsinanana i Roland Ratsiraka, any Menabe i Jean Ravelonarivo, ary any Alaotra Mangoro kosa i Jean Louis Robinson. Andrasana anefa izay hiseho hanamarina na handiso izany. Maro no mety somary diso fanantenana sy toa mangina mety miandry toerana hatreto. Misy kosa ireo efa nahazo toerana ao amin’ny fiadidian’ny filoha toa an-dry Pierre Houlder izay notendrena ho Tale jeneralin’ny raharaha ara-politika ary Tale jeneralin’ny tetikasan’ny filoha i Augustin Andriamananoro,... Toerana 52 teo anivon’ny fiadidian’ny filoha ihany koa moa no efa nofoanana ireo didim-pitondrana manendry ireo mpanolotsaina tamin’ny andron-dRajaonarimampianina, ka mety hitohy any amin’ireny ny fanomezana toerana.
Toky R
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.