Politique

Robert Razaka Hihaona ny V8 sy ny Ankolafy 3


  • Talata 13 Septambra 2011

Manamafy Atoa Robert Razaka avy ao amin’ny HPM na Hery Politika Mitambatra fa karazana dingana voalohany ihany amin’ny fihaonan’ny mpanao politika ny mitranga ankehitriny dia ny fifanatonan’ny V6 na ireo nanasonia ny Dina Repoblikanina sy ny Ankolafy 3.

 Mbola hisy, hoy izy ny fihaonana lehibe eo amin’ny V8 na ireo Vondrona politika  8 nanao rangopohy ny sori-dalana sy ny Ankolafy 3 izay tsy mbola nanao izany. Karazana dingana tsy maintsy nolalovana izany, hoy izy satria misy ny fifandaminana tsy maintsy napetraka mialoha, atsy aoriana izany, ary mety ho amin’ity herinandro ity dia hanatevin-daharana ny V6 ka hihaona amin’ny Ankolafy 3 ny UDR-C sy ny TGV. Marihana fa samy tsy nanasonia ilay Dina Repoblikanina izy ireo ary mitovy hevitra tanteraka amin’ny FAT ny amin’ny hanasoniavana ilay sori-dalana ny zoma 16 mey ho avy izao, amin’ny UDR sy ny TGV dia ilay fanitsiana nohazavain’ny Sekretera mpanatanteraky ny SADC, ny Dr Salomao, izay mametraka fepetra amin’ny fodian’ny filoha teo aloha Marc Ravalomanana no izy.

Ka eo no mbola mahasarotra ny raharaha satria ho an’ny Ankolafy 3 sy ny sasantsasany amin’ireo ao anatin’ny V6 dia ny fanapahan-kevitry ny fivorian’ireo filoham-panjakan’ny SADC tany Sandton tamin’ny jona teo ka manambara ny fahafahan’ireo nanao sesitany ny tenany mody an-kalalahana tsy misy fepetra eto no fototra hiaingan’ny adihevitra, na ny fandaminana ny krizy. Hitohy ny fifampidinihana hikarohana ny marimaritra iraisana, ary antenaina fa hilatsahan’ny fanahy masina ny tsirairay mba tena hahay handini-tena sy hikaroka ny mahasoa ny rehetra, hoy ihany Atoa Robert Razaka namarana ny fanazavany.

 

RTT

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Catherine
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

VAUTRIN

  • POLITIKA
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

Mandeha ny kajikajy

  • ZAZA RAMANDIMBIARISON
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

Tsy tokony ho tara ny

  • Pastera Heritiana
  • Talata 06 Oktobra 2026

_Fampandrosoana an’i Madagasikara

  • FAMPIHAVANANA POLITIKA
  • Talata 06 Oktobra 2026

Tsy tokony atao fitaovana

  • Fikaonandoham-pirenena
  • Alatsinainy 05 Oktobra 2026

Ny Mpitandrina Barinarivo

Hijery ny tohiny
FTT