Tsy nisy akony intsony ny tohin’ny raharaha momba an-dRaleva, lehilahy iray sahy nijoro sy niteny ny zavatra hitany fa tsy mety amin’ny fanaovana ampihimamba ny fitrandrahana ny harena ankibon’ny tany ataon’ny sinoa any Vohilava Mananjary. Ny fanehoan-kevitra nataony kosa no antony fa niteraka ny fisamborana sy ny fanagadrana azy.
Nitonona ho mpikambana avy amin’ny firaisamonim-pirenena iray ny tenany tamin’ny fanehoan-kevitra nataony. Efa nanao fanambarana mandiso ny maha mpikambana azy ao aminy kosa ny Vaomieran’ny fahamarinana sy ny fandriampahalemana na ny “Justice et Paix” eo anivon’ny fiangonana katolika. Tsy hiadian-kevitra lalina intsony ny momba an’iny na mpikambana ao izy na tsia. Tsy azo hamavainina kosa ny fijoroany hijoro manoloana ny fanaovana ny tantely afa-drakotra ny harem-pirenena, saingy ny varavaran’ny fonja no niandry azy. Tsy vao izao no niseho ny raharaha tahaka izao, fa efa nisy ihany koa ny fanagadrana an’i Clovis Razafimalala tany Maroantsetra noho ny fijoroany hiaro ny tontolo iainana sy ny famoahany ny marina momba ny fanondranana andramena tsy ara-dalàna. Izay miteny sy mijoro hampibaribary ny tsy rariny ny fangoronana ny haren’ny Malagasy izany, dia ny fonja no miandry azy. Ny sinoa sy ny vazaha lasa inoan-teny sy toa mibaiko ny mpitondra fanjakana na eny ifotony na ny fanjakana foibe satria ireny no mahatolotolotra. Na tsy misy fiantraikany amin’ny fiaianam-bahoaka eny ifotony aza ny fitrandrahana dia tsy misy olana rehefa voatolotolotra ny mpitondra. Tombontsoan’iza no harovana eto Madagasikara ? Izay mijoro hiaro ny tanindrazana indray no potehina sy gadraina ? Marihina fa ny vahiny tamin’ny alalan’ny Amnesty International indray no nangataka ny hanafahana an-dRaleva fa ny fanjakana kosa nangina sy tsy niraharaha.
Toky R
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.