Politique

RMDM “Foano any fa feno hosoka ny fifidianana”


  • Zoma 06 Desambra 2019

Velona ahiahy mafy manoloana ny fanitsakitsahana miverimberina ny lalàna fototra velona eto amin’ny tany sy ny firenena ataon’ny mpitondra isan’ambaratonga nandritr’ireo fifidianana nifanesy,

 

 toy ny fifidianana monisipaly natao tamin’ny 27 novambra 2019 ny Rodoben’ny mpanohitra ho an’ny Demokrasia eto Madagasikara na ny RMDM. Ny Filohan’ny Repoblika dia nitokana ny kianjan’i Barikadimy tao Toamasina tamin’ny 24 novambra 2019, tena mbola tao anatin’ny fotoana fampielezan-kevitra mihitsy, hoy izy ireo kanefa voarara izany araka ny andininy faha-61 ao amin’ny Lalàna 2018-008 momba ny fifidianana. « Raha tsy misy fanovana avy amin’ny Président du Tribunal de première instance, dia ny lisitry ny mpifidy nofaranana tamin’ny 15 mey amin’ny taona resahina ihany no manankery amin’ny fifidianana rehetra mandritry ny taona itsahina ary manankery hatramin’ny 15 mey amin’ny taona manaraka », hoy ny andininy faha-42. Tamin’ny fifidianana monisipaly tamin’ny 27 mey teo anefa dia tsy voahaja ny lalàna satria ny lisitry ny mpifidy nampiasaina dia hafa, hoy ny RMDM. Manameloka an-kitsirano ny fanitsakitsahana miverimberina ny Lalàmpanorenana sy ny lalàna velona eto amin’ny tany sy ny firenena ataon’ny mpitondra,… Manentana ny olom-pirenena hitaky ny zony (izay voafaritra ao amin’ny Lalàmpanorenana nefa voahitsakitsaky ny mpitondra) ary mbola hanome anay hatrany ireo porofo voaangony mikasika ny hosoka tamin’ny fifidianana. Mangataka ny fanafoanana ny fifidianana monisipaly tamin’ny 27 novambra 2019 izay feno hosoka ary handray andraikitra hanao izay tokony hatao amin’izany amin’ny fitondrana ny raharaha eo amin’ny tompon’andraikitra mahefa ara-pitsarana, hoy ny RMDM.

Toky R

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • ANTOKO POLITIKA RPMU
  • Zoma 16 Oktobra 2026

« Tokony hiaraka amin’ny

  • Mirangorango ?
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

Manomboka mitombo ireo

  • Malagasy Miara-Miainga
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

"Mbola maro ireo fanamby

  • VMFR
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

Hafaingano ny dinika politika

  • Kolonely Randrianirina Michael
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

Mila mifoha isika

Hijery ny tohiny
FTT