Politique

Rivolala Kohen “Ho mafy ho an’ny Fitondrana Rajoelina ny taona 2020”


  • Zoma 03 Janoary 2020

Tena taona mafy ho an’ny fitondrana Rajoelina sy ny ekipany ity taona 2020 vaovao ity hoy Kohen Rivolala, mpitarika ny finoana Jodaisma hebraika, mpitsabo amin’ny alalan’ny ctic ctac dou eny Ambonisoa Itaosy.

 

 

Noho ny asa ratsin’ny satana izay efa mahazo vatana eto amin’ny tany sy ny firenena no nambarany fa anton’izany ankoatra ny kapoka mety hahazo ity fitondrana ity. Tamin’ny ankapobeny mantsy raha ny fanazavany dia nisy ny tsy fahamarinana nahalany ho filoha ny filoham-pirenena ankehitriny izay tsy maintsy handraisany sazy avy any ambony. Sakana maro vokatr’izany no hitranga eo amin’ny lalan’ny filoha sy ny ekipany hoy hatrany Kohen Rivolala, ary mety hihazakazaka hitady azy mihitsy ny mpitondra mba hamahana izany olana any amin’ny tontolon’ny fanahy izany. Anisan’ny zavatra mampatahotra indrindra mety hitranga eto amin’ny firenena moa ary tsy azo sakanana hoy hatrany Kohen ny hasiahana sy ny haratsian’ny olona izay efa nambarany tamin’ny taona 2013 fa hitovy amin’ny vampira, ny loza voajanahary sy ny fatin’olona hovonoina amin’ny fomba feno habibiana tsy hampoizina….Vahaolana arosony ho an’ny mpitondra araka izany ny tokony hamerenana ny mpiray tanindrazana ao anatin’ny kolontsaina Malagasy fa tsy ho variana amin’ny kolontsaina vahiny foana no omena vahana.

Pati

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • ANTOKO POLITIKA RPMU
  • Zoma 16 Oktobra 2026

« Tokony hiaraka amin’ny

  • Mirangorango ?
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

Manomboka mitombo ireo

  • Malagasy Miara-Miainga
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

"Mbola maro ireo fanamby

  • VMFR
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

Hafaingano ny dinika politika

  • Kolonely Randrianirina Michael
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

Mila mifoha isika

Hijery ny tohiny
FTT