Misalasala tanteraka ny filoham-pirenena Hery Rajaonarimampianina amin’ny fandaminana ny politikany sy ny fiomanany amin’ny fifidianana.
Ny fahabangan-toerany eo amin’ny fahefana raha ho kandida no toa mametraka olana sy mampisalasala azy mafy rehefa dinihina ny zava-misy. Raha ny lalàmpanorenana dia ny filohan’ny antenimierandoholona no mandray ny fahefana raha toa ka mirotsaka ho kandida ny filoha am-perinasa, izay tsy maintsy miala 30 hatramin’ny 60 andro mialoha. Tsy tokony hanan-tahotra ny filoha ankehitriny satria i Rivo Rakotovao izay filoha nasionalin’ny HVM no handray ny toerany. Toa tsy mbola resy lahatra i Hery Rajaonarimampianina, ary matahotra mafy ny hisian’ny famadihana goavana matoa mbola mitady hevitra hafa mety hoenti-miala amin’io, toy ny fanovana lalàmpanorenana, izay nangingina aloha hatreto. Ahiana ny mety ho fiovan-javatra tampoka satria azo antoka ny mety hisian’ny fifandresen-dahatra ambadika hanova zavatra rehefa mandeha tokoa ny fifidianana. Mazava ho azy fa manana tombondahiny aloha ny eo amin’ny fahefana. Hijoro hatramin’ny farany hampandany ny filoha ankehitriny ve anefa ny filohan’ny antenimierandoholona na dia efa hitany aza fa mety ho resy sy tsy hisy fanantenana intsony ny filoha ankehitriny sa hiova hevitra ? Ratsy toerana rahateo ny HVM raha mandeha ara-drariny sy ara-dalàna ny fifidianana, ka fanaon’ny mpanao politika ny miala haingana ao anatin’ny sambo sy miantsampy amin’izay mety ho azo hianteherana rehefa akaiky tokoa izay faharendrehana izay. Fanaon’ny mpanao politika eto amintsika ny hoe aleo mihinan-kely toy izay mandry fotsy. Hisafidy ny hiara-rendrika amin’ny filoha ankehitriny tokoa ve i Rivo Rakotovao ? Raha sanatria ka raikitra ny mety ho fifanolanana amin’ny fifidianana dia tsy hiverina eo amin’ny fahefana intsony i Hery Rajaonarimampianina, fa i Rivo Rakotovao no tena hitondra ny baolina. Izy no ho tompon’ny fahefana sy ny teny farany, ka dia tsy fantatra izay mety hafitsony ao satria efa tsy naman’ny tompom-pahefahana intsony ny filoha nodimbiasany. Mamy io fahefana io, ka eo no mety hiseho ny tsy ampoizina, raha toa ka mamadika an’i Hery Rajaonarimampianina izy. Lojika sy mety hiseho amin’ny tontolo politika rahateo ny hoe tsy hisy mpiara-dalana mandrakizay na mpifahavalo mandrakizay izany. Mety ho izay no antony tsy mbola hivoahan’ny datim-pifidianana na ny lafin-javatra hafa mifandraika amin’izay satria mbola maro ny kajikajy politika tsy milamina eo amin’ny mpitondra
Toky R
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.