Misy zavatra maro tsy mazava ao anatin’ny LFI 2020 ka nitondran’ny loholona fanitsiana (amendements).
Anisan’izany ny vola hatokana ho an`ny fiadidian`ny Repoblika na “Fonds souverains”, izay mitentina 200 miliara ariary. Tsy ampy ny fangaraharana ilay tetibola. Misy 1000 miliara tsy fantatra ny hanaovana azy fa boriboriana amin’ny hoe arakaraka ny tetikasan'ny filoha. Volam-bahoaka io, ka lazao ny ampiasana azy. Aiza ny fepetra araka ny lalàna ? Tsy fantatra ny fampiasana azy, hoy i Rivo Rakotovao ary tsy voafaritra ny fampiasana volam-bahoaka. Io “fonds souverains” io dia hamaliana ny hevitry ny filoham-pirenena. “Fa angaha izy ity fanjakana mpanjaka ?”, hoy izy Ny fikirakirana ny volam-bahoaka toy ny trosa, hetra… dia tsy maintsy misy fampahafantarana. Koa raha, maninona raha nolanilaniana tany ny LFI 2020 ? Mila atao mazava tsara ireo tetikasan`ny filoham-pirenena. Hanao “building” ? Ataovy mangarahara ny tetibola ary ataovy ao anatin`ny ara-dalàna. Ankoatra izay, namaly ireo fanambarana nanaratsy ireo loholona tanaty tambajotran-tserasera ny filohan`ny Antenimierandoholona, ka nilaza fa tsy sakana izy ireo ary tsy mandà ny velirano fa mila atao ao anatin`ny ara-dalàna izany rehetra izany. “Izaho tsy mieritretitra mihitsy fa ny velirano dia ambonin`ny lalàna”, hoy hatrany ny fanehoan-keviny.
Toky R sy Marigny A.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.