Politique

Rivo Rakotovao Poizina ho an’ny fitondrana…


  • Alakamisy 21 Desambra 2017

Fitoniana sy filaminana no tadiavin’ny firenena amin’izao vanim-potoana akaiky fifidianana izao, ary ny fanjakana ankehitriny no tokony hikatsaka izany voalohany indrindra.

 Fa mbola fandranitana sy filam-baniny kosa no afitsoky ry Rivo Rakotovao, izay mirehareha sy mihevi-tena tsy ho tratry ny aloka mihitsy eo amin’io fitondrana io. Tsy misy tsy mahalala ny hetraketraka ara-politikan’ny fanjakana HVM ny mpanara-baovao eto amintsika. Anisan’ny lohalaharana amin’ny fanaovana azy io i Rivo Rakotovao. Matetika no avy aminy no iaingan’ny hetraketraka ara-politika, toy ireny efa niseho tamin’ny fankalazana ny faha-15 taonan’ny antoko Tiako I Madagasikara teto Antananarivo sy tany amin’ny faritra ireny. Vitan’i Rivo Rakotovao mihitsy no niakatra tamina fahitalavitra nampibaribary ny tsy fankasitrahany izany na tsy nisy hidiran’ny antokony, izay afaka nanao izay danin’ny kibony, toy ny tany Toliara aza. Ny resaka fanakatonana orinasan’ny olona atahorany haharesy ny HVM amin’ny 2018 moa dia matetika no andrenesana ny anarany amin’ny baiko avy any ambadika. Diso mahatoky tena loatra ry Rivo Rakotovao ary mihazakazaka mihitsy amin’io hetraketraka mba hamotehana ny hafa io. Ny eto an-toerana ana teratany Malagasy mamelona mpiray tanindrazana an’aliny anaovana antsojay, kanefa ny fanjakana mihitsy no mibontsimbotsina ery mankany ampitan-dranomasina hitady mpandraharaha, mpiara-miombon’antoka, mpampiasa vola … ho aty Madagasikara. Sady mampalahelo no mahamenatra, saingy izay tokoa angamba no tonga amin’ny fiteny hoe : hadalana miaro tsinjaka, ka ny hambom-po politika no hoenti-mamotika ny Malagasy an’aliny mpiray tanindrazana amin’ny tena. Tsy mba manatsara endrika ny fitondrana, fa vao mainka mihetraketraka sy mihantsy ady andro aman’alina. Toa mifanipaka tanteraka ny zavatra ambarany amin’ny hoe fandresen’ny demokrasia ny fifidianana, kanefa izy ireo aza tsy manao afa tsy ny hifehy sy hangeja azy io araka izay takatry ny sainy. Porofon’izany ny tsy fankasitrahan’ny ankolafin-kery isan-tsokajiny ny kiry tadiavina atao amin’ny lalàna mifehy ny fifidianana. Mbola mirehareha moa ny tenany tamina fahitalavitra tsy miankina iray eto an-drenivohitra, fa resy ara-poto-kevitra ireo tsy mpankasitraka ny HVM satria hitany ny zava-bitan’ny fanjakana. Inona ary no atahorana fa tsy aleo hilatsaka izay te hilatsaka dia ho hita eo e ? Tsy fitoniana no katsahiny, fa korontana ary sokajiana ho poizina ho an’ny fitondrana io afitsok’i Rivo Rakotovao io. Misy fetrany ny fahefana sy ny hery ary mety ho poizina lehibe ho an’ny fitondrana HVM mihitsy ity filohan’ny antokony ity.

Toky R


Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Eric Randrianaivo
  • Zoma 30 Oktobra 2026

«Hiverina indray ny krizy

  • Bien Aimé
  • Zoma 30 Oktobra 2026

Randrianantenaina

  • Noho ny fiaraha-miasa
  • Alakamisy 29 Oktobra 2026

amin’ny Rosianina

  • Elia Rabevahiny
  • Alakamisy 29 Oktobra 2026

«Andao re irosoana

  • Diplaomasia
  • Alarobia 28 Oktobra 2026

sy toekarena

  • TIM
  • Talata 27 Oktobra 2026

AMBOHIDRAPETO

Hijery ny tohiny
FTT