Vao handinika ny didim-panjakana momba ny fanendrena ireo governoram-paritra ny filohan`ny Antenimierandoholona, Rivo Rakotovao.
Isika dia mijanona ao anatin`ny ara-dalàna ary ny fanjakana no mila ara-dalàna voalohany, hoy izy. Anjaran`ny parlemantera tokoa no mijery an`izany ka raha misy ny tsy mety dia hiteny izahay. Raha mety moa dia mba ho tombontsoan`ny firenena. Mamerina hatrany i Rivo Rakotovao fa ny Antenimierandoholona dia tsy natao ho mpanohitra ny tombontsoan`ny firenena akory fa hijery ny fanarahana lalàna. Notsindriny manokana kosa fa ny lalàmpanorenana no lalàna fototra ary ambonin`ny lalàna rehetra ka aleo arahina. Mahakasika ny tetikasan`ny filoha Rajoelina “Tanamasoandro”, izay miteraka resabe, dia nitondra ny heviny izy. Isika ve tsy te handroso ? Mandroso isika fa ny adihevitra no tokony hatao saingy kosa tsy mandrakizay. Tsy maintsy tsinjovina kosa ny hevitry ny besinimaro ao anatin`ilay izy. Isika kosa anefa raha tsy te handroso amina tetikasa fampandrosoana dia ho sahiran-dava. Tsy maintsy miroso ny fitondram-panjakana fa kosa tsy tokony hanao fanitsiana amin`ny fanoherana ny vahoaka (reforme contre le peuple). Izany no manahirana raha eo amin`ny iraisam-pirenena. Eritreretin`ny olona fa ilay fanitsiana entin`ny fitondram-panjakana dia tsy mipaka amin`ny vahoaka maro an`isa. Noho izany, mila mahay mandresy lahatra ny fanjakana hoe tombontsoan`ny vahoaka maro an`isa ho amin`ny fampandrosoana. Mety tsy ho tsapa izao dia izao ny fampandrosoana toy ny fahasahiantsika mitrandraka ny harena ankibon`ny tany ao anaty mangarahara, hoy hatrany ny fanazavana.
Marigny A.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.