Hanambatra ireo mpikambana izay tsy nivadika palitao ny tanjon’ny antoko Hvm amin’io kongresy izay ho tanterahin’izy ireo io, amin’ny volana novambara ho avy izao.
Nambaran’ny filohan’ny antenimierandoholona Rivo Rakotovao, sady filoha nasionalin’ny antokon’ny fitondrana teo aloha, fa ireo izay mpiara-dia tamin’ny antoko ary mbola tsy nivadika hatramin’izao no antson’izy ireo hamonjy io kongresy ataon’ny antoko io. Araka ny fanazavana voaray mantsy dia, hiverina amin’ny heriny tanteraka sy eo amin’ny sehatra politika, ny antoko HVM na Hery Vaovaon’i Madagasikara. Naleon’ny antoko nisafidy ny nangina sy nandinika ny toe-draharaha politika misy eto amin’ny firenena aloha. Nilaza ny sekretera jeneralin’ny antoko Hvm, fa hanatanteraka kongresy ny antoko amin’ny volana novambra ho avy izao. Miantso ny mpikambana Hvm rehetra manerana ny distrika, indrindra fa ny faritra miaraka amin’ireo mpikatroka mafana fo mba ho tonga amin’io kongresy izay ho tanterahina io, hoy hatrany ny fanazavana. Tsiahivana fohy ny tantara, fa taorian’ny faharesen’ny filoha Hery Rajaonarimampianina tamin’ny fifidianana filoham-pirenena, dia tsy hita tabilao nanomboka taorian’izay ity antoko ity ary tsy nandray anjara tamin’ny fifidianana rehetra nisesy teto amin’ny firenena ihany koa. Nisy aza no namadika palitao, ka niaraka tamin’izao fitondrana ankehitriny izao. Amin’izao fotoana izao, nambaran’ny filoha nasionalin’ny HVM, fa hiveriny amin’ny heriny tanteraka ny antoko, ka aorian’ny kongresy no hiseho amin’izay izy ireo, miaraka amin’ny birao sy ny mpikambana rehetra.
Sitraka r.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.