Andrasana fatratra izay ho ventin’ny kabarin’ny filoham-pirenena ny zoma 6 janoary ho avy izao eny Iavoloha mandritra ilay lanonana fifampiarahaban’ny andrim-panjakana sy ny masoivoho eto amintsika
.Mandeha be mantsy ny resaka fanovana governemanta efa ho roa herinandro izao, ny mety ho fampihemorana ny datim-pifidianana..Fa ankoatr’izay re ihany koa fa manomboka miseho ny tsy fifankazahoana eo amin’ny samy mpitondra fanjakana ambony, voalaza araka ny loharanom-baovao iray tena akaiky ny fitondram-panjakana fa maro ny minisitra manomboka sosotra amin’ny fihetsiky ny minisitry ny fambolena sy ny fiompiana Rivo Rakotovao.Voalaza moa fa hoe tena : « misy toetra » ity minisitra sady filoha nasionalin’ny HVM ity.Ary tsy minisitra ihany no sy dia mahazoazo an’ingahy Rakotovao fa mpiasa mpiasam-panjakana ambony maro hafa, noho io toetrany io.Asa na amin’ny maha olona sokajiana fa akaiky ny filoha Rajaonarimampianina azy na amin’ny maha lehiben’ny HVM azy no mahatonga ny fihetsik’ity minisitra ity manafintohina ny hafa na efa tena resaka hafa mihitsy.Ny fahafantarana io zava-misy io ve no nahatonga ny nanesorana azy tsy ho minisim-panjakana misahana ny fanajariana ny tany sy ny fampitaovana intsony ka nampidinana grady azy sa inona ? Ireo mahalala azy sy efa nihaona taminy dia samy mahafantatra tsara fa anisan’ny olona henjakenjam-pitenenana i Rivo Rakotovao rehefa mihetsika izay ny androny.Iny eo ihany fa mandeha koa anefa ny feo fa anisan’ireo efa manonofy toerana ambony kokoa izy fa tsy ampy azy intsony ny sezana minisitra .Efa tamin’iny taon-dasa ihany koa no nandrenesana fa tsy dia tsara fifandrasainasa loatra i Rivo Rakotovao sy ny praiminisitra Solonandrasana Mahafaly , ity farany izay toa efa tsy maha baiko itsy voalohany intsony mihitsy araka ny resaka mivoaka avy ao anaty governemanta ao ihany.
RTT
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.