Miahiahy amin’ny hoaviny ireo loholona raha nikasa hanongana ny filohan`ny Antenimierandoholona sy ny birao maharitra omaly hariva.
Ny maraina, tsy mafàna toy ny mahazatra ny fivoriana tsy ara-potoanan’ireo loholona etsy amin’ny lapan’Anosikely Ny hariva, nandritra ny famaranana kosa, niakatra ny maripana. Raha ny feo nandeha, efa ho herinandro no nomanina ny fanonganana ary saika notanterahina afak`omaly. Ny mahagaga sy mahatalanjona amin`ity resaka ity, ireo loholona avy amin`ny antoko HVM nivadika palitao ihany no nitaky ny fandravana birao maharitra. Nilaza ny loholona Kolo Roger fa tsy mila an`ingahy Rakotovao Rivo ho filohan`ity Andrim-panjakana ity. Efa miandany amin`ny fitondrana ankehitriny avokoa ny ampahany betsaka amin`izy ireo. Fa inona no nitranga ? Sa mila ranondranony toy ny mahazatra ? Fantatra fa amin’ny taona 2021 no tapitra ny fe-potoam-piasan’ny loholona saingy mbola nanamafy hatrany ny filohan’ny Antenimierandoholona, Rakotovao Rivo, ny amin’ny tokony hisian’ny firaisankina sy fiaraha-miasa eo amin’ireo hery politika samihafa eto Madagasikara. Nofariparitany hatrany ny maha zava-dehibe ny andraikitra sahanin’ity andrim-panjakana ity. Ny loholona Berthin Randriamihaingo izay miaraka amin`ny fitondrana dia nitsipaka ny filazana fa avy amin`izy ireo no mety hanonganana an`i Rivo Rakotovao. Tsiahivina fa ny voalazan`ny lalàna dia noho ny hadisoana goavana natao na ny fametraham-pialana amin`ny nahim-pony no hialany amin`ny toerany.
Marigny A.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.