Politique

Rivo Rakotovao Minia manadino ny tantara…


  • Talata 07 Novambra 2017

Nametraka adihevitra eo amin’ireo lalàna vitsivitsy misy fiantraikany amin’ny fifidianana ny filoham-pirenena. Voaresaka ny andalana faha-47, mamehy ny tetiandro ahahafahana manatanteraka ny fifidianana filoham-pirenena.

 Voalaza fa ny fifidianana dia hatao 30 andro mialoha farafafahakely ary 60 andro farafahabetsany, ka tsy maintsy manana filoham-pirenena nofidin’ny vahoaka isika amin’ny 25 janoary 2019, hoy i Rivo Rakotovao. Tsy azo hialana izany fa izay ny ao anaty lalàmpanorenana. Vitantsika ve ao anatin’ny 30-60 andro ny fifidianana, raha ohatra ka misy fihodinana faharoa ? Ny zavatra nataontsika hatramin’izay mantsy dia tsy nanaraka lalàmpanorenana mihitsy isika na efa lany tamin’ny 2010 aza izy io fa ohatran’ny nisy fifanarahana ny mpanao politika, dia tsy nisy nimenomenona mihitsy hoe lany 8 herinandro na sivy herinandro vao vita ny fifidianana, kanefa dia mandika lalàna izany, hoy Rivo Rakotovao. Tsy te haheno izany intsony isika satria tsy ara-dalàna, hoy izy. Rariny loatra ny voalazan’ny filoham-pirenena, izay mitandro toy anakandriamaso ny filaminana, izay apetraky ny lalàmpanorenana aminy mba hisian’ny fitoniana eto amin’ny firenena, araka ny fanehoan-keviny. Malaina ny hanan-dratsy isika. Rehefa ho avy indray mantsy ny fifidianana, dia ho avy ny gidragidra, kanefa, fandresena ara-demokratika izany. Te hanana ny tsara isika mialoha sy mandritra ary aorian’ny fifidianana, mba ho eken’ny rehetra, ka mitohy ny fampandrosoana amin’izay. Milaza ho mampandroso ny firenena ny HVM, ary te hanohy izany, raha halalinina ny tiany hambara. Milaza azy ho manaraka ny lalàmpanorenana ry Rivo Rakotovao satria tombontsoa politikany no katsahina amin’io, ka dia te hampiseho mihitsy fa toy ny mpiasa be vonton’ananatra amin’ny fanajana izany sy mikendry ny hanova amin’ny tsara, araka hevitra ezahina atosaka. Izy ireo anefa no tsy nanaja lalàmpanorenana voalohany raha vao nanendry praiminisitra, ary nahavita namorona maro an’isa sadasada teny anivon’ny antenimieram-pirenena na tsy nanana tamingana depiote aza. Vao tsy ela akory ihany koa ny resaka fanalana ny filohan’ny antenimierandoholona sy ny nifidianana azy ho filohan’io andrim-panjakana io, izay petatoko sy tsy tao anaty fanarahan-dalàna. Izao anefa izy mihitsy no toa milaza tena ho tompon’ny fanaraha-dalàna sy lalàmpanorenana. Mihevitra ny Malagasy ho dondrona sy kentrina ?

Toky R

 

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Eric Randrianaivo
  • Zoma 30 Oktobra 2026

«Hiverina indray ny krizy

  • Bien Aimé
  • Zoma 30 Oktobra 2026

Randrianantenaina

  • Noho ny fiaraha-miasa
  • Alakamisy 29 Oktobra 2026

amin’ny Rosianina

  • Elia Rabevahiny
  • Alakamisy 29 Oktobra 2026

«Andao re irosoana

  • Diplaomasia
  • Alarobia 28 Oktobra 2026

sy toekarena

  • TIM
  • Talata 27 Oktobra 2026

AMBOHIDRAPETO

Hijery ny tohiny
FTT