Iaraha mahalala ny fahasahiranana ny vahoaka amin` ny tsy fahampiana ara-tsakafo. Tsy hianona fotsiny amin` ny fidradradradrana hoe mivelona amin` ny fambolena sy ny fiompiana ny 80%-n` ny Malagasy satria tsy mahavelona izany.
Tsy afaka mamokatra ho an` ny vahoaka manontolo izy ireo. Laharam-pahamena tokoa ny fiezahana hahamatihanina kokoa ny tantsaha eo amin` ny sehatry ny fambolena hahatongavana eo amin` ny fahaleovantena ara-tsakafo. Noho izany, mila politika matotra amin` ny fivelarana ireo tanim-bary sy tanim-pambolena eto amintsika. Manamafy izany ny filohan` ny Antenimierandoholona, Rivo Rakotovao, saingy nilaza kosa izy fa tsy maintsy miaro ny Malagasy koa ny fitondram-panjakana manoloana ireo orinasa lehibe hanaovana fotodrafitrasa izay mety ilaina. Tokony mijery fandanjalanjàna amin` ny fiarovana ny tantsaha sy ny hahahafahana manao fampandrosoana isiska, hoy izy. Eo amin` ny sehatry ny fananan-tany ihany koa dia fanamby iray tsy maintsy apetraka mba hahafahan’ny tantsaha mamelo-tena sy manao ny asany am-pitoniana fa tsy hitaintain-dava, hoy izy. Raha tiana ho tratra izany fanamby izany dia mila mihaino ny feon` ny vahoaka ny mpitondra, hoy i Rivo Rakotovao. Marihana moa fa nanatrika ny seminera niarahan’ny Fikambanan’ny Antenimierandoholona mivondrona ao anatin’ny Association des Sénats, Shoora et Conseils Equivalents d’Afrique et du Monde Arabe (ASSECAA) tany Rabbat – Maraoka ity filohan` ny andrim-panjakana ity. Nanambara moa ny Filoha Rivo Rakotovao raha nanontanian’ny mpanao gazety Marokanina fa mila ny finiavan’ny rehetra ny fiadiana amin’ny tsy fanjarian-tsakafo. Niompana tamin’ny lohahevitra : “Les Parlements et les défis de la sécurité alimentaire” moa izany fihaonambe izany izay nifarana ny 01 novambra lasa teo.
Marigny A.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.