Sesilany ireo fandikan-dalàna nandritra ny fampielezan-kevitra. Betsaka no tsy mankasitraka ny fomba amam-panao ataon`ny fitondram-panjakana.
Maro ny lalàna eto amintsika ka mila hajaina, hoy i Rivo Rakotovao, filohan`ny Antenimierandoholona. Tsy zava-baovao izany. Ny lalàna no mifehy antsika, ny fanjakana no atao ohatra. Mazava ny lalàna mifehy ny fifidianana voalaza ao anatin`ny and. 61 fa tsy mahazo mitokana zavatra intsony ny fitondram-panjakana mandritra ny fotoan`ny fampielezan-kevitra. Tamin`ny herintaona toy izao dia fady mihitsy izany mba tsy hitongilana ny fanjakana. Nomarihany fa ny fanjakana no manome ohatra tsara. Ilaina ny fahamatorana ary izany no andraikitry ny mpikarakara fifidianana sy fiarahamonim-pirenena, nandritra ny fitsidihan`ireo parlemantera avy any Korea Atsimo tetsy amin`ny lapan`Anosikely.
Marigny A.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.