Nanatanteraka kongresy kely tao Antsirabe omaly alakamisy 21 desambra 2017 ny antoko HVM. Nitarika izany tao amin’ny Tranompokonolona ny filoha nasionaly, Rivo Rakotovao,
notronin’ireo olom-boafidy HVM toy ny Senatera sy ireo olom-boafidy tsy HVM saingy efa nitafy ny akanjony, toa an-dramatoa depioten’Antsirabe faharoa sy ireo Ben’ny tanàna izay tsy lany tamin’ny anaran’ny antoko HVM akory tany am-piandohana, fa namitaka ireo mpifidy azy nanao sakaizan’ny mpandresy ka niofo ho HVM. Nasaina nanao “maillot HVM” hatramin’ny Ben’ny tanànan’Antsirabe Razanakolona Paul, izay tonga niatrika ity fihaonana omaly ity. Fiomanana amin’ny fiatrehana ny fifidianana sy fanomezana toromarika ireo mpikatroka no tanjona raha ny fanazavana nataon’i Rivo Rakotovao. Tsy azo atao tsinontsinona i Vakinankaratra satria manana tantara ara-politika goavana no sady mivelatra, hoy izy. Nambarany fa efa maherin’ny 90%-n’ny minisitra ao anatin’ny governemanta dia HVM avokoa. Nanamafy i Rivo Rakotovao fa afaka 11 volana ny fifidianana na dia tsy nanondro daty mazava aza izy. Manana andraikitra avokoa ny olom-boafidy sy ireo olom-boatendry izay nomena toerana, ka nisy mihitsy ny talem-paritra nantsoiny manokana sao tsy niatrika ilay fotoana. Ny minisitry ny fahasalamana, Pr Andriamanarivo Mamy Lalatiana izay mpiahy an’i Vakinankaratra moa dia nanamafy fa efa vonona amin’ny fifidianana izy ireo.
Caius R.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.