Tena mba ahoana ny mason-tsivana raisin`ny filoham-pirenena,Hery Rajaonarimampianina, rehefa misafidy ireo olona hiasa hiaraka aminy ? Miseho ho babany avokoa mantsy izay tonga ao.
Hatramin’ny nandraisan`ny filoham-pirenena ny fitantanana dia efa malaza hatrany fa ireo olona manodidina azy no tena ratsy sy manolo-bato mafana ka nahatonga ny tsy fahombiazana teto Madagasikara. Mitombo hatrany izany tranga izany ary ireo mpanolotsaina ao an-dapa mihitsy no tena mibaiko ny filoha. Anisan`izany i Rivo Rakotovao filohan`ny Antenimierandoholona sady filoha nasionalin`ny antoko HVM, izay voalaza fa tsy mahay miara-monina amin`ny hafa ary tsy misy izay tsy mikolay amin`ny toetrany na ireo minisitra na ireo mpiara-miasa aminy akaiky. Malaza ho maka fanapahan-kevitra diso sy tsy mifanaraka amin’ny filan’ny vahoaka sy ny firenena ary efa mihoa-pefy ny fitondran-tenan`Atoa Rivo Rakotovao. Maro ireo milaza tofoka, indrindra ireo minisitra. Be baiko ao an-dapa nefa ny loholona no ohatra ho an'ny fiarahamonina, ary mila manaja tena mba hahazoana fanajana avy amin'ny hafa. Mifanohitra amin`ny fitenin`ny ntaolo hoe “Na mitoetram-bitsika aza aho, mahay miara-monina amin'arivony”. Filoha mora baikona tokoa no tena ilain’ny ankamaroan’ny mpanao politika fa raha tsy izany dia hisy hijoro foana eto hanohitra sy hitaky ny fialan’ny mpitondra. Ny tena olana amin’ny raharaha toy izao dia ireo olona samy ao anaty fitondram-panjakana ihany no mifanaratsy sy mifanenjika noho ny ady seza sy voninahitra. Ahiana, araka izany, ny famadihana palitao ato ho ato raha mitohy ny tsy fifehezan`ny filoham-pirenena ny olony. Tsy mahagaga anefa ity fitondrana ity satria toy ny biby tsy misy lohany noho ny filoham-pirenena mora baikona hatrany. Manonofy antoandro kosa angamba ny HVM izay tarihan`i Rivo Rakotovao, raha mbola mihevitra ho mamim-bahoaka ny fitondrana HVM. Hasesika ao anatin’ny saim-bahoaka fa mbola mankasitraka an’io filoha entin’ny hafa amin’ny sangany io ny ankamaroan’ny vahoaka. Mamy tokoa ny seza ary izay tonga eo tsy te hiala eo intsony fa mitady ny fomba rehetra hijanonana eo sy ho lany amin’ny 2018.
Marigny A.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.