Mampikaikaika vahoaka, indrindra fa ny tantsaha mpamokatra amin’ny Faritra maro ny tsy fisian’ny orana eto amintsika amin’izao fotoana izao.
Nampanantena ny minisitry ny fambolena sy fiompiana Rivo Rakotovao tamin’ny alarobia 11 janoary 2017 fa hisy ny fandatsahana orana artifisialy mba hamahana ny olana sy hitsinjovana ny mpamboly. Ny faritra afovoan-tany sy ny any amin'ny toerana mamokatra toa an'Alaotra Mangoro no hanatanterahana izany, araka ny fanazavana nataony. Inona akory no teo. « Rora-piso » niserana, hoy ny any Amparafaravola no mba nisy. Volabe anefa no lany amin’ny fandatsahan’orana. Dia inona indray no hambaran’ny minisitra ? Tsy feno ny fepetra ? Nanantena ny tantsaha, efa minisitra izao tokoa ve no miteny. Inona anefa no teo, fa dia fahadisoam-panantenana iray lavaka. Manampy trotraka aza ny andrenesana fa mbola ho maina ato anatin’ny telo andro. Maro anefa ireo Faritra mamokatra toa an’i Vakinankaratra, Amoron’i Mania, Itasy, Betsiboka, Sofia... mila orana saingy Alaotra sy Analamanga nampanantenaina aza moa tsy nisy fa voafitaka. Tsy tanteraka ny fampanantenana kanefa ny any Tsiazompaniry izay mamatsy ny renivohitra aza efa ahiana tsy hisy intsony ary efa manomboka mifehy ny rano any amin’ny faritra misy azy ny mponina, ary efa manomboka ny gidragidra. Natao fotsiny izay hampitoniana ny saim-bahoaka, fa tsy tanteraka mandrak’androany ny fampanantenana nataon’ity minisitra, izay re ihany koa fa mikendry mafy ny ho tonga praiminisitra ity.
Tsy nandrenesam-peo momba an’io fandatsahan’orana io moa ny tenany, fa tonga amin’ilay fomba fitenin’ny maro hoe : nisitri-belona. Mbola vao minisitra aza izany no atao maika mahazo fahefana ambonimbony kokoa. Ny tompon’andraikitra dia tokony hijoro sy sahy hisedra olana fa tsy rehefa mafy ny ady dia tsy hita popoka, fa rehefa misy ny zavatra kely atao dia mailaka ery ny hiseho amin’ny haino aman-jery fa mahavita zavatra. Ny mahagaga ihany koa dia tsy re feo ireo milaza azy ho misolovava ny vahoaka manoloana izao fahasahiranana mianjady izao. Anisan’ireny, ohatra, ny depiote Naivo Raholdina sy ny namany, izay tena lava lela sy milaza azy ho miaraka sy miaro hatrany ny vahoaka, ary depioten’Antananarivo rahateo, saingy tsy re feo na mba manaitra kely ny fitondrana amin’izao fahasahiranana izao aza. Samy manana ny manahirana azy e !
Toky R.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.