Politique

Rivo Rakotovao Mametrapetraka ny 2018


  • Talata 24 Oktobra 2017

Na dia fifamindram-pahefana teo amin’ny tenany sy ny minisitry ny fambolena sy fiompiana vaovao, Harisson Edmond Randriarimanana, aza no notontosaina tetsy amin’ny minisitera misahana izany tetsy Anosy omaly dia tsy nanakana ny minisitra teo aloha,

 Rivo Rakotovao, amin’ny maha filoha nasionalin’ny antoko Hery vaovao ho an’i Madagasikara azy tsy hiresaka ny taona 2018. Zava-dehibe ho antsika ny fifidianana 2018, hoy izy, satria hanamafisana ny fandresen’ny demokrasia tamin’ny taona 2013. Enga anie ny malagasy hahay hifidy fa raha hiverina hikorontana isika dia i Madagasikara no resy ary tsy misy afa-miala isika fa samy ato anatiny ato. Anisan’ny fanontaniana napetraky ny mpanao gazety taminy moa ny filana ilay dinika mikasika ny lalàmpanorenana izay hanasana ireo antoko politika hatao etsy amin’ny Carlton Anosy, tarihin’ny filoham-pirenena ny zoma izao ary dia nambarany fa mahasoa io matoa natao. Ny HVM, hoy izy, dia lohalaharana (avant centre) satria hoavin’ny firenena no horesahana. Tonga nanotrona ity fifamindram-pahefana ity moa ireo loholona HVM ary dia nahatonga ny mpanao gazety nametra-panontaniana hoe efa vonona hanohana ity loholona vaovao ity hiakatra eo amin’ny toerana maha filohan’ny antenimierandoholona ve ? Omaly iny ihany moa dia noraisina tamin’ny fomba ofisialy amin’ny maha loholona azy teny amin’ny lapa maitso Anosikely  i Rivo Rakotovao izay efa tena taratra fa andry lehibe efa mametrapetraka ny 2018-n’ny antoko HVM. Ny filohan’ny antenimierandoholona Honoré Rakotomanana no nametraka nysamboady tamim-pirahalahiana tamin-dRivo Rakotovao. Ho hita eo kosa ny mety ho endri-piaraha-miasa sy endriky ny fiarahamonina ao amin’ity lapan’ny loholona ity manomboka izao.

J. Mirija


 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Eric Randrianaivo
  • Zoma 30 Oktobra 2026

«Hiverina indray ny krizy

  • Bien Aimé
  • Zoma 30 Oktobra 2026

Randrianantenaina

  • Noho ny fiaraha-miasa
  • Alakamisy 29 Oktobra 2026

amin’ny Rosianina

  • Elia Rabevahiny
  • Alakamisy 29 Oktobra 2026

«Andao re irosoana

  • Diplaomasia
  • Alarobia 28 Oktobra 2026

sy toekarena

  • TIM
  • Talata 27 Oktobra 2026

AMBOHIDRAPETO

Hijery ny tohiny
FTT