Politique

Rivo Rakotovao Ho sahy hampisambotra an’i Lylison ve ?


  • Alakamisy 30 Novambra 2017

Mangina tsy misy tohiny intsony ny raharaha momba ny loholona Lylison,

  izay anisan’ny antony lehibe nanesorana ny filohan’ny antenimierandoholona teo aloha, Honoré Rakotomanana nambara fa nitazam-potsiny sy tsy nanapa-kevitra nanoloana ny efa fandikan-dalàna nataon’io manamboninahitra lasa loholona io. Efa namoahana didy fampisamborana ity farany, ary efa nanome alalana ny birao maharitra hampihatra ny fitsipika anatiny ny fitsarana avo momba ny lalàmpanorenana, saingy tsy te hanangam-pahavalo sy tsy niditra lalina i Honoré Rakotomanana. Efa i Rivo Rakotovao izao no eo amin’ny familiana, ary tsy vaovao amin’ny rehetra intsony ny sotasota politika fanaony sy ny HVM tarihiny. Ho sahy hanapa-kevitra hampisambotra na handroaka ny loholona Lylison voalaza fa mbola misitraka ny zo sy tombontsoa amin’ny maha olom-boafidy azy ve i Rivo Rakotovao ? Marihina fa voafidy tany amin’iny faritanin’i Mahajanga ity kolonely ity ary maro ireo fikambanana avy any no nitaky ny hanatsaharana ny fanenjehana azy, indrindra amin’ny maha loholona manana sata manokana azy. Olona notendrena kosa i Rivo Rakotovao fa tsy nosafidian’ny vahoaka velively, ary dia misolotena an’i Mahajanga ihany koa satria i Ahmad izay loholona tany Mahajanga no nosoloiny. Niaraha-nahita ireny fiezahany naka ny fon’ny olona tany Mahajanga ireny, ka nampiasaina hatramin’ny fomba mamohehatra. Anisan’ny olona manelingelina an’i Rivo Rakotovao sy ny HVM mihitsy ny kolonely Lylison. Hampiharina amin’izay ve ny haza lambo na ny fandroahana azy tsy ho loholona ? Sa matahotra sy mihorohoro ihany sao ho tratry ny fitsimbadihan’ny rasa rehefa tsy eo amin’ny fahefana intsony ?

 

Toky R

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Eric Randrianaivo
  • Zoma 30 Oktobra 2026

«Hiverina indray ny krizy

  • Bien Aimé
  • Zoma 30 Oktobra 2026

Randrianantenaina

  • Noho ny fiaraha-miasa
  • Alakamisy 29 Oktobra 2026

amin’ny Rosianina

  • Elia Rabevahiny
  • Alakamisy 29 Oktobra 2026

«Andao re irosoana

  • Diplaomasia
  • Alarobia 28 Oktobra 2026

sy toekarena

  • TIM
  • Talata 27 Oktobra 2026

AMBOHIDRAPETO

Hijery ny tohiny
FTT