Manoloana ny savorovoro misy ankehitriny dia tonga nihaona tamin’ireo Loholona tetsy amin’ny lapan’Anosikely ny solontenan’ny vahoaka amin’ireo kaominina voakasika amin’ny tetikasa Tana-masoandro,
omaly talata 29 oktobra. Tsy nisalasala izy ireo nanatona ireto Loholona raiamandreny eto amin’ny firenena ireto manoloana ny olana misy ankehitriny. Mangataka hihaona mivantana amin’ny filoham-pirenena izy ireo satria tsy nahitam-bahaolana ny fihaonana tamin’ireo solontena nalefany sy ny taratasy izay nalefan’izy ireo eo amin’ireo tompon’andraikitra isan-tsokajiny. Nambaran’ny filohan’ny antenimierandoholona Rivo Rakotovao fa hiezaka izy hifampiresaka . Notsidriany mafy fa tsy ilaina ny korontana sy ny herisetra fa ao anatin’ny fitoniana tanteraka no tokony hamahana ny olana. Manana anjara andraikitra goavana ihany koa ny minisitry ny fambolena ao anatin`io tetikasa io. Araka izany, handefa taratasy manokana ny filoha Rivo Rakotovao, hampisehoana ny tena zava-misy momba io tetikasa Tanà-masoandro io. Hatao porofo marim-pototra ireo antontan-taratasy nomen`ireo solontenan`ny mponina etsy Ambohitrimanjaka ireto ho fiarovana ny tanindrazana sady foto-pivelomana.
Marigny A.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.