Politique

Rivo Rakotovao Hatao filohan’ny antenimierandoholona…


  • Alarobia 04 Oktobra 2017

Raha samy variana amin’ny resaka areti-mandoza pesta sy ny fahasahiranana samihafa ny rehetra amin’izao, dia misoko mangina hatrany amin’ny kajy maloto hitazonana fahefana kosa ny fanjakana HVM.

 Loharanom-baovao iray no nahalalana fa hapetraka eo amin’ny toeran’ny filohan’ny Antenimierandoholona, hasolo an’i Honoré Rakotomanana ny filoha nasionalin’ny Antoko HVM sady minisi-panjakana misahana ny fambolena sy ny fiompiana Rivo Rakotovao. Ho fanomanana ny fifidianana 2018 avokoa no ao ambadik’izany. Ny filohan’io andrim-panjakana io no mandimby ny toeran’ny filoha raha toa ka hilatsaka hofidiana izy, ka tsy maintsy mametra-pialana 30 ka hatramin’ny 60 andro mialoha, araka ny voafaritry ny lalàmpanorenana. Tsy mahatoky tanteraka an’i Honoré Rakotomanana anefa ny HVM, kanefa izy no tokony handray ny toeran’ny filoha mandritra ny fifidianana. Ny antoko Arema an’i Didier Ratsiraka rahateo no tena nahalalana azy, ary tsy fantatra izay mbola rohy hifandraisany amin’ny amiraly sy ny tena heviny momba ny 2018. Mila olona tena azony hianteherana sy hanome tombondahiny ary hampandany azy amin’ny fifidianana ny antokon’ny fitondrana, ka izay no hametrahana an’i Rivo Rakotovao eo amin’io toerana io. Ho tonga amin’ny fitenenana hoe vato hatsindry hazana izany i Honoré Rakotomanana, ka vita ny nilana azy dia hatsipitsipy sy hatosi-bohon-tànana ? Mbola tsy tapitra hatreo ihany koa ny resaka fanovana lalàmpanorenana tadiavina hatao kipisoroka, ary re fa tsy hihemotra ny fitondrana na iza hitsipaka na iza hitsivalana. Efa mandeha rahateo ny resaka hanambazana fiara tsy mataho-dalana ny solombavambahoaka sy ny loholona hanaiky mora fotsiny ny fanovana.  Na ny filoham-pirenena izay mandray fanapahan-kevitra ao anatin’ny filankevitry ny minisitra na ny Antenimiera amin’ny alalan’ny latsa-bato eken’ny 2/3-n’ny mpikambana no afaka mangataka fanovana na fanitsiana ny lalàmpanorenana. Tsy maintsy eken’ny ¾ amin’ny Antenimiera roa tonta amin’ny alalan’ny fifidianana misaraka nataon’izy ireo avy ny volavolana fanovana, izay vao azo laniana amin’ny alalan’ny fitsapan-kevi-bahoaka, ka izay no mety hisian’ny fanambazana.


Toky R

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Eric Randrianaivo
  • Zoma 30 Oktobra 2026

«Hiverina indray ny krizy

  • Bien Aimé
  • Zoma 30 Oktobra 2026

Randrianantenaina

  • Noho ny fiaraha-miasa
  • Alakamisy 29 Oktobra 2026

amin’ny Rosianina

  • Elia Rabevahiny
  • Alakamisy 29 Oktobra 2026

«Andao re irosoana

  • Diplaomasia
  • Alarobia 28 Oktobra 2026

sy toekarena

  • TIM
  • Talata 27 Oktobra 2026

AMBOHIDRAPETO

Hijery ny tohiny
FTT