Politique

Rivo Rakotovao Hatao amin’ny 2018 ny fifidianana filoham-pirenena


  • Zoma 03 Novambra 2017

Ity ve izany ilay planina faharoa rehefa hita ho tsy tena tafavoaka ilay voalohany dia ny fikasana hikitika ny andininy faha-46 sy 47 ary 48 mikasika ny fetr’andro fametraham-pialan’ny filoham-pirenena mialoha ny hanambarany ny filatsahan-kofidiany ?


Raha ny fandraisam-pitenenan’ny filoha vaovaon’ny antenimierandoholona, Rivo Rakotovao, nandritry ny fifamindram-pahefany sy ny filoha teo aloha, Honoré Rakotomanana, tetsy amin’ny lapa maitson’Anosikely omaly dia toy ny efa fampielezankevitra ho an’ny antokon’ny fitondrana sahady no noventesiny. Misaotra ny filoham-pirenena, hoy izy, fa izy no nantenaina ary mbola hantenain’ny vahoaka Malagasy hamaha ny fahantrana. Fanilo mitarika izy. Maro ny rafitra napetraka ary matoa napetraka dia ho fanamarinan-toerana ny andrim-panjakana sy hisian’ny fitoniana politika. Kihon-dalana lehibe ny fifidianana ary mitady izay hanamarinan-toerana azy isika mba tsy hahalasa ahiahy satria fandresen’ny demokrasia. Betsaka ny zava-bita, hoy hatrany ny tenany fa ny jamba ihany no tsy mahita ary ny marenina no tsy mandre. Tsy maintsy vita ao anatin’ny fotoana voafaritry ny lalàmpanorenana ny fifidianana ary efa nanaiky ny filoham-pirenena, Hery Rajaonarimampianina. Izay mitsipaka izany, hoy ny fanamafisan’ity filohan’ny antenimieran-doholona vaovao ity dia izy no mitsipaka ny lalàmpanorenana voalohany.


J. Mirija

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Eric Randrianaivo
  • Zoma 30 Oktobra 2026

«Hiverina indray ny krizy

  • Bien Aimé
  • Zoma 30 Oktobra 2026

Randrianantenaina

  • Noho ny fiaraha-miasa
  • Alakamisy 29 Oktobra 2026

amin’ny Rosianina

  • Elia Rabevahiny
  • Alakamisy 29 Oktobra 2026

«Andao re irosoana

  • Diplaomasia
  • Alarobia 28 Oktobra 2026

sy toekarena

  • TIM
  • Talata 27 Oktobra 2026

AMBOHIDRAPETO

Hijery ny tohiny
FTT