Nanatanteraka fihaonambe voalohany tamin’ireo birao ifoton’ny antoko Hery Vaovao ho an’i Madagasikara na ny HVM isam-pokontany eto Analamanga tetsy amin’ny Gymnase Ankorondrano omaly ny filoha nasionalin’ny antoko,
Rivo Rakotovao sy ny mpandrindra rejionalin’ny antoko eto Analamanga, Ndranto Rakotonanahary. Ny hametrahana paikady hiatrehana fifidianana fa indrindra ny fampanarahan-dalàna ireo hiatrika izany moa, hoy ny filoha nasionaly, no tena fototry ny fihaonana. Antoko tsy manavaka ny HVM, ary enga anie, hoy ny tenany mba ho afaka hilatsaka hofidiana daholo amin’ny 2018. Fa niverina indray tokoa omaly ny resaka fikitihana lalàmpanorenana raha toa ka efa maro ireo nihevitra fa niditra tamin’ny safidy faharoa (plan B) ity antoko ity raha nanao ny ezaka rehetra hametrahana ity filoha nasionalin’ny antoko ity teo amin’ny toeran’ny filohan’ny Antenimierandoholona. « Misy andalana maro mety ho sarotra ny hanatanterahana azy”, hoy ny tenany. Adihevitra misokatra ny amin’io mba tsy handinganantsika ny lalàna satria hotontosaina andro fahavaratra toy izay voasoritra amin’izao ihany ve ny fifidianana nefa tsy mifanaraka amin’ny lalàna izany, hoy hatrany ny fanamarihany. Rano nasosa an-damosin’ny gana avokoa izany no nandraisan’ity filoha ity ireo fanehoan-kevitra rehetra izay voafintina tamin’ny fehezanteny tokana hoe : « Tara loatra raha efa hanomboka ny lalao vao hanova fitsipika ». Nampametra-panontaniana ihany koa ny mikasika fahafahan’ny lehiben’ny faritr’Analamanga miantsoroka ny andraikitra maha mpandrindra rejionaly ny antoko ka nanazava ny loholona Mananjara Andriambololona fa efa voafaritra ireo tompon’andraikitra tsy afaka manao politika. Ireo manamboninahitra miaramila, ohatra no tsy afaka manao izany fa ny lehiben’ny faritra kosa dia afaka manao politika.
J. Mirija
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.