Politique

Rivo Rakotovao “Efa tanim-panjakana ny eny Andohatapenaka”


  • Alarobia 06 Aprily 2016

Namaly bontana ny fanambaran’i Marc Ravalomanana ny minisi-panjakana momba ny fotodrafitrasa sy ny fanajariana ny tany Rivo Rakotovao,

 

omaly ihany, ka nilaza fa fananan’ny fanjakana Malagasy madiodio ny tany eny Andohatapenaka, izay kasaina hanamboarana toeram-piantsonan’ireo taksibrosy mianatsimo atsinanana sy miantsinana. Efa dila ny fotoana tokony ho nanaovan’ny orinasa ALMA (groupe Tiko) ny fampiakarana ny raharaha momba ny fanafoanana ilay fifanarahana famarotan-tany, taorian’ny fivoahan’ny didim-pitondrana laharana 38.345/2009 ny 1 oktobra 2009, hoy ny minisi-panjakana ka noho izany dia efa lasa fananan’ny fanjakana io tany io. Tsy manan-kery ary tsy ara-dalàna ihany koa, hoy hatrany ny minisitra ny fanapahan-kevitry ny kaominin’Antananarivo Renivohitra mitondra ny laharana 001 CUA/CAB tamin’ny 21 desambra 2015 manome alalana ny orinasa ALMA hamefy io tany io, satria tokony ho nitaky ny taratasin’ny fananan-tany manankery aloha ny kaominina izay vao nanome io alalana io. Momba ny fiantsonan’ny taksibrosy eny amin’ny Fasan’ny Karana indray dia nambarany fa efa tanin’ny Karana hatramin’ny 1992 io toerana io ka mitaky ny taniny ny tompony amin’izao fotoana ka tsy tokony hasiana resa-be. Tsy mitombina noho izany ny filazana fa namidin’ny minisiteran’ny fanajariana ny tany tamin’ny Karana io toerana io.

RTT

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Eric Randrianaivo
  • Zoma 30 Oktobra 2026

«Hiverina indray ny krizy

  • Bien AimĂ©
  • Zoma 30 Oktobra 2026

Randrianantenaina

  • Noho ny fiaraha-miasa
  • Alakamisy 29 Oktobra 2026

amin’ny Rosianina

  • Elia Rabevahiny
  • Alakamisy 29 Oktobra 2026

«Andao re irosoana

  • Diplaomasia
  • Alarobia 28 Oktobra 2026

sy toekarena

  • TIM
  • Talata 27 Oktobra 2026

AMBOHIDRAPETO

Hijery ny tohiny
FTT