Politique

Rivo Rakotovao Atosika ho filohan’ny Antenimierandoholona


  • Alarobia 18 Oktobra 2017

Nesorina tsy ho minisi-panjakana eo anivon’ny fiadidian’ny Repoblika misahana ny fiompiana sy ny fambolena intsony i Rivo Rakotovao, araka ny didim-panjakana novakian’ny Jeneraly Ralala Roger, sekretera jeneralin’ny fiadidian’ny Repoblika teny Iavoloha omaly.

Notendrena hisolo toerana azy kosa Randriarimanana Harisson Edmond, izay efa nitazona io departemanta io tamin’ny fitondrana Ravalomanana. Nitana ny toeran’ny mpanolotsaina manokan’ny filoham-pirenena ihany koa izy, ary efa filohan’ilay rafitra ara-toekarena EDBM (Economic Development Board of Madagascar). Tsy niandry ela fa vao voavaky iny didim-panjakana iray iny dia nirosoana ihany koa ny famakiana ny didy faharoa manendry an’i Rivo Rakotovao ho loholona, hisolo ny toeran’i Ahmad, izay voafidy ho filohan’ny Kaonfederasionina Afrikanina momba ny baolina kitra na ny CAF. Ny filoham-pirenena no nanasonia ireo didim-panjakana ireo, izay ahafahana milaza fa efa vita mialoha izany, fa ny andro omaly sisa no nandrasana.

Hapetraka ho filohan’ny Antenimierandoholona

Ora vitsy tsy hisokafan’ny fivoriana ara-potoana faharoa eo anivon’ny Antenimiera roa tonta no namoahana iny fanapahan-kevitra, izay tsy tongatonga ho azy iny. Efa nisy ny famakafakana sy ny vaovao nivoaka teto amin’ny Gazety Tia Tanindrazana ny 4 oktobra lasa teo, fa hapetraka ho eo amin’ny toeran’ny filohan’ny antenimierandoholona hisolo an’i Honoré Rakotomanana i Rivo Rakotovao. Toa efa mizotra tsikelikely mankany amin’izany tokoa ny zava-misy ankehitriny. Mba ho fanomanana ny kajikajy politika amin’ny 2018 avokoa no antony satria tsy maintsy mametra-pialana 30 ka hatramin’ny 60 andro mialoha ny datim-pifidianana ny filoha am-perinasa raha toa ka kandida, araka ny voafaritry ny lalàmpanorenana. Azo tarafina avy amin’izao fanapahan-kevitra izao fa tsy azon’ny HVM antoka i Honoré Rakotomanana, izay tokony handray ny toeran-dRajaonarimampianina. Tsy mbola nanatrika ny lanonam-panokafana ny fivoriana ara-potoana faharoan’ny antenimierandoholona omaly teny Anosikely moa ny senatera vaovao Rivo Rakotovao satria mbola any Roma Italia. Andrasana amin’ny fiverenany an-tanindrazana ny mety ho tohin’ity raharaha ity satria maro no resy lahatra fa atosika ho filohan’ny antenimierandoholona ity filoha nasionalin’ny HVM ity. Tsy fantatra kosa anefa ny fomba hanilihana an’i Honoré Rakotomanana.

Toky R

 

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Eric Randrianaivo
  • Zoma 30 Oktobra 2026

«Hiverina indray ny krizy

  • Bien Aimé
  • Zoma 30 Oktobra 2026

Randrianantenaina

  • Noho ny fiaraha-miasa
  • Alakamisy 29 Oktobra 2026

amin’ny Rosianina

  • Elia Rabevahiny
  • Alakamisy 29 Oktobra 2026

«Andao re irosoana

  • Diplaomasia
  • Alarobia 28 Oktobra 2026

sy toekarena

  • TIM
  • Talata 27 Oktobra 2026

AMBOHIDRAPETO

Hijery ny tohiny
FTT