Taorian’ny fanambarana nataonà andiana loholona notarihin’ny filoha lefitry ny Antenimierandoholona faritany Antananarivo,
Andriambololona Mananjara nitafa tamin’ny mpanao gazety ny zoma lasa teo, manakiana sy manameloka ny filohan’ity andrim-panjakana ity ho mampifangaro ny fitantanana ny antoko sy ny Senat ary koa nilaza fa tsy nifampierana ny fametrahana fitoriana eny amin’ny HCC. Fotoana fohy taorian’io fanambarana io dia nanao setriny ny filohany, Rivo Rakotovao, raha nahare ny fanambarana nataon’ny Loholona vitsivitsy mahakasika ny fitoriana napetraka teny amin’ny Fitsarana avo momba ny Làlampanorenana. Nanao fanamarihana izy fa tamin’ny fotoam-pivoriana azon’ny besinimaro natrehana ny zoma 13 desambra 2019, sady famaranana ny fotoam-pivoriana ara-potoana faharoa dia noresahina tao fa tsy maintsy hanao “saisine” eny amin’ny HCC ny Antenimierandoholona mahakasika ireo didy hitsivolana tokony handalo fankatoavana (ratification) eny anivon’ny Antenimiera roa tonta. Tsy nisy nitsipaka izany ny loholona rehetra izay tonga nanatrika ny fivoriana. Mialoha izay anefa, hoy hatrany ny fanazavana, nandritra ny asam-baomiera izay natrehan’ny solontenan’ny primatiora tao amin’ny Lapan’ny Antenimierandoholona dia nanontaniana ity farany ny mahakasika ny “ratification” an’ireo didy hitsivolana ireo ka nanambara fa “efa eo am-pandinihana azy ry zareo”. Nomarihany fa, na tsy nanatrika fivoriana ireo Loholona nanao fanambarana ireo, na tsy nihaino tsara. Aleo ny marina no lazaina, hoy izy. Ireo Loholona izay nanao fanambarana moa dia ahitana filoha lefitra saingy tsy tonga manatrika ny fivorian’ny birao maharitra. Ny Senat dia miasa mafy ho an’ny fametrahana ny tany tan-dalàna ka noho izany tsy miray tsikombakomba amin’ny tsy fanarahan-dalàna, hoy hatrany izy.
Marigny A.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.