Politique

Ritra ny volam-panjakana Nitalaho tany Bruxelles ny FAT


  • Alarobia 28 Septambra 2011


 Minisitra roa ao anatin’izao governemanta izao, dia ny minisitry ny raharaham-bahiny Sylla Yvette sy ny minisitry ny fitantanam-bola, Rajaonarimampianina Hery, no indray nidodododo nitalaho tany amin’ny Vaomiera Eoropeanina mba hamerenana ny famatsiam-bola izay naaton’ity vondrona ity taorian’ny fanonganam-panjakana nitranga teto tamin’ny 2009. Ny filohan’ny FAT, Andry Rajoelina, no nambara fa hihaona amin’ny filohan’io vaomiera io, saingy tsy tanteraka izany, ka dia ireto minisitra ireto no nalefa tany Bruxelles.

Ny fihetsika toy izao dia mampibaribary fa dia ritra ny volam-panjakana matoa nidodododo toy izao. Andrasana kosa izay voan-dalana tamin’izany, satria dia volam-bahoaka tsy hita pesipesenina no lany amin’ny dian’olona ambony toy izao. Ny azo antoka mantsy dia tsy ho ireto minisitra anatin’ny governemanta ankehitriny ireto no haharesy lahatra ny Vaomiera Eoropeanina ka hanomezany ny volany, fa ny minisitra amin’ny governemanta iraisana izay tokony hitsangana aorian’ny nahavitan’ny sonian’ny tondrozotra.

 

Jean D.

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Catherine
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

VAUTRIN

  • POLITIKA
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

Mandeha ny kajikajy

  • ZAZA RAMANDIMBIARISON
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

Tsy tokony ho tara ny

  • Pastera Heritiana
  • Talata 06 Oktobra 2026

_Fampandrosoana an’i Madagasikara

  • FAMPIHAVANANA POLITIKA
  • Talata 06 Oktobra 2026

Tsy tokony atao fitaovana

  • Fikaonandoham-pirenena
  • Alatsinainy 05 Oktobra 2026

Ny Mpitandrina Barinarivo

Hijery ny tohiny
FTT