Mijoro manohitra ny fitondrana indray aho, hoy Rakotomalala Henri na i Riribe, ary tsy vao izao izany fa efa hatramin’ny fanombohan’ity lalàmpanorenan’ny Repoblika faha-4 tsy mandeha amin’ny laoniny ity.
Tsy ny olona no toheriko, hoy izy, fa ilay rafitra (système) mihitsy no tsy izy. Manampy trotraka izany ny praogramanasan’ny governemanta izay tsy ahitana soritra mihitsy ny hoe hamaha ny olan-dehibe misy eto amin’ny firenena sy ny hampakatra ny harin-karem-pirenena amin’ny ankapobeny. Manana toerana lehibe amin’izany fampandrosoana ny firenena izany ny mpanohitra, ka izay no mandrisika ahy hiditra ao. Ao amin’ny Antenimieram-pirenena, hoy ity mpitarika ny Zatovo ity, dia tsy misy ny depiote mpanohitra ao ka tsy misy fomba azo handrefesana ny herin’ny mpanohitra. Fa mpanohitra tsy te hiray tsikombakomba amin’ny mpitondra sy vonona hitsikera azy no ilaina dia mijoro ny tenako hanatanteraka izany ary ety ivelany no hatsangana ny rafitra matanjaka fa vonona hitondra ny anjara birikiny amin’izay mety ho fanarenana ny firenena i Riribe.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.