Mankasitraka ny fanovana an’ireo minisitra sasantsasany natao teo anivon’ny governemanta Mahafaly
Solonandrasana Olivier farany teo izay ao amin’ny FEDEP na Federation des Déténus Politiques tarihako, hoy Rakotomalala Henri na Riribe, indrindra ny fanovana ny minisitra Narison Rafidimanana. Malahelo kosa izahay zanaky ny Faritanin’i Toamasina fa 2 sisa no mba minisitray tavela ao, hoy izy. Misy Faritany sasany anefa manana minisitra 7 tsy voakitikitika na iray aza. Mangataka amin’ny fitondram-panjakana mahefa izahay, noho izany, mba haneho ampahibemaso ny fahadisoana vitan’ireo minisitra nesorina ireo mba ho fantatry ny vahoaka Malagasy ny tena antony. Mikasika ny amin’ny resaka fanendrena mpikambana CFM indray, na dia diso fanantenana aza izahay tamin’ny fomba fanendrena azy ireo noho ny fomba feo fanilikilihana sy fanavakavahana natao sy ny fijerena tavan’olona dia manaiky sy manaja ny fanendrena nataon’ny CSN sy ny filoham-pirenena Malagasy. Manohy hatrany ny fitakiany ny FEDEP mametraka fa mba amin’ity faran’ny taona ity farafaharatsiny ny fanonerana an’ireo niharam-boina tamin’ireo krizy nifandimby teto amin’ny firenena. Farany mikasika ny fifidianana ho filoham-pirenena Malagasy hatao amin’ny 2018 dia manambara ny izahay FEDEP, hoy i Riribe, fa tsy azo ekena eto amin’ny firenena intsony ny resaka Ni…Ni…Ni… satria hiteraka korontana sy ady an-trano izany ary hampitombo indray ny fahantrana lalina efa iainan’ny vahoaka Malagasy ankehitriny. Fotoana hifamelana sy hifandraisan-tanan’ny olom-pirenena Malagasy rehetra izao hanorenana firenena vaovao miankina amin’ny fihavanana sy fifankatiavana ka Madagasikara mandroso no tanjona.
Ntsoavina Evariste
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.