Politique

Riribe – Fedep “Hisy ady an-trano eto raha tsy vita ny fampihavanana”


  • Zoma 03 Novambra 2017

Efa tokony hatomboka amin’izay ny tena asa atao amin’ny fampihavanam-pirenena, hoy i Riribe filohan’ny Fedep fa ho korontana sy ady an-trano mahatsiravina no hiseho eto Madagasikara raha tsy hatao alohan’ny fifidianana izay ho filoham-pirenena manaraka.

Manamafy ny tenako fa vonona ny hanolo-tanana ny C.F.M amin’ny fanatanterahana izany manerana ny nosy ny E.E.D.E.P tarihako. Mila halavirina ao ny valifaty, ny fifandrafiana, ny tsy fitiavan’olona ary ny kajikajy politika, hoy i Riribe. Fotoana tsy maintsy hifamelan’ny Malagasy rehetra izao vaninandro misy antsika izao ka handravonana fihavanana hahamafy orina ny firaisam-pirenena mba hidirantsika miaraka amin’ny tena fampandrosoana. Izaho izay nigadra 7 taona tamin’ny andro nitondran’Atoa Ravalomanana dia efa namela azy mba hitandrovana ny tombontsoa ambonin’ny firenena sy ny fihavanana mba ho modely harahin’ny rehetra ary dia manamafy ny faniriako ny hihaona sy hifampidinika amin’ity filoha teo aloha ity.

 

Ntsoavina Evariste

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Eric Randrianaivo
  • Zoma 30 Oktobra 2026

«Hiverina indray ny krizy

  • Bien Aimé
  • Zoma 30 Oktobra 2026

Randrianantenaina

  • Noho ny fiaraha-miasa
  • Alakamisy 29 Oktobra 2026

amin’ny Rosianina

  • Elia Rabevahiny
  • Alakamisy 29 Oktobra 2026

«Andao re irosoana

  • Diplaomasia
  • Alarobia 28 Oktobra 2026

sy toekarena

  • TIM
  • Talata 27 Oktobra 2026

AMBOHIDRAPETO

Hijery ny tohiny
FTT