Tazana sahady amin’ny hetsika ara-politika etsy sy eroa i Riribe, fotoana fohy taorian’ny nivoahany ny fonja. Anisan’ireo mpitarika ny tambajotra «Malagasy ho an’ny Tanindrazana » nijoro tamin’ny 5 septambra 2013 teo izy izay efa namoaka fanambarana ampahibemaso fa mitsipaka marindrano an’izao fifidianana petatoko sy atao amboletra izao.
Na dia mbola ao anatin’ny fihetseham-po mavaivay aza no hanaovanay izany fitakiana izany ka mety hanahirana ny sasany indray ny fandraisana azy. Ambarako, hoy i Riribe fa tsy matahotra fanagadrana izany ny tenako satria reharehako izany raha fitiavan-tanindrazana fa tsy nangalatra no hampidirana ahy am-ponja. Efa niantsoantso izahay, hoe tsy mitondra mankany amin’ny filaminana io fifidianana io fa vao mainka hampitombo ny krizy misy eto amin’ny firenena ka tokony hajanona. Apetraho aloha ny fanorenana dia ny lalàmpanorenana eken’ny rehetra sy lanim-bahoaka. Tanteraho ny fampihavanam-pirenena ka tsy anavahana n’iza n’iza izay vao manao fifidianana mirotsaka hofidiana daholo izay te hofidiana, indrindra izy 8 mianadahy nesorina farany teo. Ilay fanorenana mihitsy no takianay ho tohin’ny dinika notarihan’ny FFKM teny Ivato. Ilaina amiko, ilay fihaonana an-tampony nefa handraisan’ny rehetra anjara fa tsy izy efa-mianaka ihany. Raha ny fijerinay azy, hoy hatrany i Riribe dia tena voafitaka ireo kandidà hafa satria efa misy ny manao propagandy mialoha ny fotoana. Nambaran’ity mpitari-tolona ity fa hisy ny hetsika hotanterahan’ny tambajotra tsy manaiky ny hanatanterahana ny fifidiana io rahampitso sabotsy etsy Andrefan’Ambohijanahary.
Ntsoavina Evariste
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.