Riribe

> Manohana an’ny Dr Robinson Jean Louis


  • Talata 01 Oktobra 2013


Ampahibemaso tao amin’ny CRJS, nandritra ny fampielezan-kevitra nataon’ny kandida Dr Robinson Jean Louis tao Toamasina ny sabotsy teo no nilazan’Atoa Rakotomalala Henri fantatry ny maro amin’ny solon’anarana hoe : Riribe fa «manohana tsy misy fepetra ny kandida Robinson Jean Louis ilay tena ‘Favori’ aho. Fantatro sy tsapako fa io kandida io no afaka hitondra fampandrosoana sy hanova marina an’i Madagasikara». Tao anatin’izay anefa nomarihan’i Riribe fa tsy mankasitraka ny fanaovana fifidianana amboletra ny tenany, saingy raha tsy maintsy hiroso ihany ny fifidianana dia hifidy ny kandida Robinson ny tenany. Nampitandrina i Riribe fa «tsy maintsy hidina an-dalambe raha hangala-bato eo ireo kandidam-panjakana». Fa ampahibemaso koa no nitakian’i Riribe ny fampodiana an’Atoa Marc Ravalomanana an-tanindrazana noho izy tsy meloka sy filoha voafidy tamin’ny fomba demokratika. Miantoka marina ny fampihavanam-pirenena ny fanatontosana izany alohan’ny fifidianana, hoy izy.

Rakoutou

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • ANTOKO POLITIKA RPMU
  • Zoma 16 Oktobra 2026

« Tokony hiaraka amin’ny

  • Mirangorango ?
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

Manomboka mitombo ireo

  • Malagasy Miara-Miainga
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

"Mbola maro ireo fanamby

  • VMFR
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

Hafaingano ny dinika politika

  • Kolonely Randrianirina Michael
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

Mila mifoha isika

Hijery ny tohiny
FTT