Politique

Rina Randriamasinoro “Tsy mitsoaka isika fa vitantsika io”


  • Alakamisy 17 Oktobra 2019

Tonga omaly avy tany Eoropa sy Etazonia ny Kandida ben’ny tanànan’Antananarivo Rina Randriamasinoro atolotry ny antoko TIM,

izay nankasitraka sy ny nisaotra an’I Marc Ravalomanana satria tena manana raiamandreny isika, hoy izy. Nijery ny an’ny olona sy ny azo atao. Nanampy traikefa ihany koa. Naneho avy hatrany ny fahavononana ny hiara-kiasa amin’Antananarivo ireo notsidihina. Lazaina fa nitsoaka sy niala an-daharana aho. Isika tsy mitsoaka an-daharana izany. Rehefa natao io dia hatao hatramin’ny farany ary tsy maintsy vitantsika io. Tsy sangisangy io ka tsy hitamatama isika. Tonga miaraka ny fanombohana ary miasa miaraka no fahombiazana. Efa vonona ny programan’asa rehetra ary hoentina any amin’ny “pré-campagne”, izay nanentanany ny mpiara-dia rehetra. Na tanora na mpianatra na fikambanana na olom-pirenena,… raisina an-tanan-droa satria rehefa miray hina mahavita zavatra foana, hoy ity kandida ity.

Mihavàna, aza miady,…

Nalefa tany Parisy sy Washinghton ny kandida Rina Randriamasinoro, ary matoa nalefa tany dia i Dada tsy manao kitoatoa izany, hoy kosa I Marc Ravalomanana. Tsy maintsy hatao fantany izany manompo vahoaka sy asan’ny ben’ny tanàna izany, hoy i Marc Ravalomanana omaly teny Ampandrana. Tanjontsika ny hampandaniana azy ary tsy maintsy lany izy,  sitrapon’Andriamanitra ny hahalany azy mba hanasoavana ity firenentsika ity. Fanaratsiana daholo ny mandeha any ambadika satria anjaran’ny CUA ny mitaona ny fako, tsy anjarany ny manisy rano eny amin’ny paompy. Efa mahalala ny any ivelany izy izao, efa mahay ny tao amin’ny kaominina ary mahavita izy. Tsy mitsoa-pahana isika ary tsy miraviravy tanana, fantatro ny zavatra tokony ho vitany sy ny hanamboarantsika an’ity tanàna ity. Izany no mahatonga ireo ben’ny tanàna sy solombavambahoaka hiasa miaraka. Tena hiasa sy hanao izay hampandaniana azy isika, ary tsy izy ihany fa eo ihany koa ireo mpanolotsaina. Nambarany fa efa nihaona taminy ireo tao anatin’ny TIM mety nisintaka kely ary efa miasa mangina any ambadika any. Tandremo tsara ny mifandatsa hoe hay niverina ihany, ary mihavana tsara, hoy izy. Anisan’ny noraisin’i Marc Ravalomanana ohatra sy nataony vazivazy ny ao amin’ny Boriborintany faha-4. Mbola hisy fotoana lehibe hiantsoana azy ireo,… Zanak’i Dada daholo ireo, ka aoka mba tsy hifanao am-po sy hifandatsa, hoy izy.

Toky R

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • ANTOKO POLITIKA RPMU
  • Zoma 16 Oktobra 2026

« Tokony hiaraka amin’ny

  • Mirangorango ?
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

Manomboka mitombo ireo

  • Malagasy Miara-Miainga
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

"Mbola maro ireo fanamby

  • VMFR
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

Hafaingano ny dinika politika

  • Kolonely Randrianirina Michael
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

Mila mifoha isika

Hijery ny tohiny
FTT