Politique

Rina Randriamasinoro Tsy misy atahorako na kely aza ny “audit”


  • Alatsinainy 27 Janoary 2020

« Raisiko ho adidy masina ho an’ny firenena, ho an’ny taranaka ny fijoroana ho an’ny fahamarinana.

 

 

Tsy maintsy hanao izay fomba rehetra ahafahana manao izay », hoy i Rina Randrimasinoro, kandidà ben’ny tanàna teto amin’ny kaominina Antananarivo Renivohitra (CUA). Nohamafisiny fa miandry izay fahendren’ny mpitsara ka mety hisy hihaino ihany. Manao antso amin’ny mpitsara na ny fitondram-panjakana mba hiaraka hitady izay fahamarinana izay, hoy izy. Araka ny nambarany farany teny amin’ny kianja Magro dia tsy hiverina an-kianja aloha fa miandry fahamarinana. Miandry izay fivoaran’ny toe-draharaha no handraisaina ireo fepetra mifanaraka amin’izay. Mahakasika ny fitsirihana atao eo anivon’ny CUA, taorian’ny famindram-pahefana teo amin’ny ben’ny tanàna roa tonta dia tsy manahy na kely aza i Rina Randriamasonoro, izay sekretera jeneralin’ny CUA teo aloha. Misy mantsy no mivoy fa hoe voasaringotra amin’ny fanodinkodinam-bola eo anivon’ny CUA izy araka ny nambaran’ny gazety iray mivoaka isan’andro. Hentitra no nilazany fa mbola ho avy ny fotoana hitoriany io gazety io satria raha namaky izay voasoratra tao dia vinavina avokoa kanefa ny sariko no apetrany eo. Nohamafisiny hatrany fa fantany ny zavatra nataony  ary tsy misy atahorany na kely. Nomarihany kosa fa fony izy mbola tao amin’ny CUA dia efa nisy mpanolotsaina mpanohitra niantso BIANCO sy IGE (Inspection Générale de l’Etat) hitsirika ny mahakasika ny vola. Efa natao izany ary efa milamina satria tsy nisy zavatra nampiahiahy na kely monja aza, hoy hatrany ny fanazavana.

 

Marigny A.

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • ANTOKO POLITIKA RPMU
  • Zoma 16 Oktobra 2026

« Tokony hiaraka amin’ny

  • Mirangorango ?
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

Manomboka mitombo ireo

  • Malagasy Miara-Miainga
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

"Mbola maro ireo fanamby

  • VMFR
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

Hafaingano ny dinika politika

  • Kolonely Randrianirina Michael
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

Mila mifoha isika

Hijery ny tohiny
FTT