Politique

Rina Randriamasinoro “Tsy matahotra hosamborina izahay”


  • Alatsinainy 06 Janoary 2020

Hita ho miha mahazo olona ny hetsika fitakiana ny fahamarinana eny amin’ny kianjan’ny Finoana Magro Behoririka

 raha ny zavatra hit any sabotsy lasa teo.Nanao antso fialana nenina mba hivoahan’ny tena fahamarinana ny kandida natolotry ny TIM Rina Randriamasinoro nandritra ny lahateniny, mahitsy sady mazava.Malohan’ny faha 9 n’ny volana janoary moa no tokony hivoaka ny voka-pifidianana ofisialy raha hajaina ny tetiandro.

Fandrahonana

“Esory ny tahotra” hoy i Rindra Randriamasinoro, hafatra ho an’ireo rehetra tsy manaiky ny tsy rariny sy mitaky ny fahamarinana.Sahy mitsangana ary mandala ny fahamarinana aho matoa sahy mijoro sy mandeha eraky ny tanana, hoy izy.Aoka izay ny fanabadoana ny Malagasy, izahay tsy bado hoy ity kandidan’ny Tiako I Madagasikara ity.Aoka izay koa ny resaka hery famoretana ka isaky ny misy hetsika dia hoe : hosamborina ianareo, tsy mandaitra aty izany, hoy i Rina Randriamasinoro.Tsy vitsy izany izahay matoa ianareo nampiasa izao karazana fahefana rehetra izao nangalaram-bato mba handresena anay ambony latabatra, hoy i Rina R.Mahitsy aho miteny, izay handraisanareo azy tsy olana fa samy lehilahy nosoran-dreniny menaka isika, hoy izy.Hihamafy ny tolona ho amin’ny fitakiana ny marina araka ny re teny amin’ny Magro Behoririka tamin’ny sabotsy teo.Manamafy ny TIM fa misy porofo avokoa ny fitoriana napetraka; mila hazavaina tsar any zava-nitranga rehetra mialoha sy nandritra ny fifidianana, hoy i Rina Randriamasinoro ary mila hazavaina tsara aloha hoe nahoana no nokitihana ny lisi-pifidianana ka nitombo isa ny mpifidy tamin’ny fifidianana ben’ny tanàna ny 27 novambra 2019 lasa teo raha ampitahana tamin’ny fifidianana solombavambahoaka.Nangiana izahay raha tena resy tamin’ny fahamarinana, hoy ity kandidan’ny TIM ity fa raha misy zavatra hafahafa kosa , tsy ekena.Tsy maintsy hitohy amin’ny endriny hafa ny tolona raha toa ka tsy mivoaka ny fahamarinana raha araka ny nambaran’ny depiote Hanitra Razafimanantsoa; azo atao tsara hoy izy ny fampitahana ny lisi-pifidianana tamin’ny fifidianana solombavambahoaka sy Ben’ny tanàna ary tokony hanamora ny asan’ny mpitsara hahitana ny fahamarinana izany , hoy izy.Raha sery vitan’anamalaho tsy hamonoana vantitr’akoho, ka mba henoy ihany izahay,  hoy ny depiote Hanitra Razafimanantsoa.

RTT

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • ANTOKO POLITIKA RPMU
  • Zoma 16 Oktobra 2026

« Tokony hiaraka amin’ny

  • Mirangorango ?
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

Manomboka mitombo ireo

  • Malagasy Miara-Miainga
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

"Mbola maro ireo fanamby

  • VMFR
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

Hafaingano ny dinika politika

  • Kolonely Randrianirina Michael
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

Mila mifoha isika

Hijery ny tohiny
FTT