Politique

Rina Randriamasinoro “Tsy maintsy hiady ho an’ny marina aho”


  • Alakamisy 09 Janoary 2020

Nolavina ny fitoriana rehetra nataon’ny kandida Rina Randriamasinoro teo amin’ny Tribonaly misahana ny ady amin’ny fanjakana. Isan’ny notakiana tao anatin’ny hetsika maro nataon’izy fikatsahana ny fahamarinana ny fangatahana ny fampitahana ny lisi-pifidianana,

 

 

 izay nolavin’ny tribonaly. Raha haravona dia nolavina daholo ny fitoriana, ary nambara fa tsy mitombina. Izay no zava-misy, kanefa tsy mahakivy izany, hoy i Rina Randriamasinoro. Izy ity anefa efa natomboka dia tohizana foana. Raisiko ho adidy hatrany ny fitadiavana ny fahamarinana. Noteneniko ombieny fa niaraha-nahita ny olona tsy afaka nifidy tamin’ny fifidianana depiote no tsy afaka nifidy taty amin’ny fifidianana ben’ny tanàna, ary nisy ny tsy afaka nifidy no lasa afaka nifidy, betsaka ny olona niova birao fandatsaham-bato. Mahagaga fa tsy nisy nahita izany hatraty amin’ny tribonaly, hoy ity kandida ity. Rehefa dinihina io, dia toa efa mazava ny ho valim-pifidianana ofisialy havoaka rahampitso amin’ny 10 ora, dia ny fanambarana fa Atoa Naiana Andriantsitohaina no lany ho ben’ny tanànan’Antananarivo. Etsy ankilany, dia tsy mahakivy ahy io, ary ny hanentanako ny olona dia tsy adidiko irery ity, fa adidintsika mianankavy, adidin’ny olona tia ny fahamarinana no mijoro manoloana ny zava-misy, hoy I Rina Randriamasinoro. Nanentana ny olona ho tonga saina amin’ny zava-misy ankehitriny ity kandida ity. Tsy mahakivy ahy io, ary betsaka ny làlana mbola hahafahana mitady ny marina. Raha mbola misy olona iray na roa mijoro eo, dia izaho vonona foana. Miantso ny mpiara-dia sy ny mpanadala ny marina hiandry ny toromarika, hoy izy. Arakaraka ny toe-draharaha no ho tohin’ny fitakiana. Mbola baraingo ny  hoe hitohy ny tolona sa tsia satria natolotry ny antoko ary mbola mety manana ny ambarany ny antoko, fa ny azoko antoka dia izaho tsy maintsy hiady ho an’ny fahamarinana, hoy i Rina Randriamasinoro.

Toky R

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • ANTOKO POLITIKA RPMU
  • Zoma 16 Oktobra 2026

« Tokony hiaraka amin’ny

  • Mirangorango ?
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

Manomboka mitombo ireo

  • Malagasy Miara-Miainga
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

"Mbola maro ireo fanamby

  • VMFR
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

Hafaingano ny dinika politika

  • Kolonely Randrianirina Michael
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

Mila mifoha isika

Hijery ny tohiny
FTT