Politique

Rina Randriamasinoro “Tsy hanaiky habadoina intsony isika…”


  • Alakamisy 21 Novambra 2019

Andro vitsy sisa dia hifarana tanteraka ny fampielezan-kevitra amin’ny fifidianana ben’ny tanàna.

 

 

 Ho an’Antananarivo, dia misongadina hatrany ary manana ny herijika betsaka ho lany i Rina Randriamasinoro. Ny sabotsy izao etsy amin’ny Kianjan’Ambohijatovo no hanaovany faradoboka lehibe miaraka amin’ny vahoakan’Antananarivo, ka ialohana Carnval na “Diaben’ny Firaisan-kiana” io. Naneho hatrany ny fahavononany i Rina Randriamasinoro ary teniny matetika ny hoe matoa manao dia sahy ary tena hanao. Tsy hampanantena poak’aty sy hanao ronono an-tavy amin’ny vahoakan’Antananarivo fa zavatra vita sy azo tanterahina no hatolotra ny vahoaka satria efa fantany ny olana, ary hananany ny vahaolana. Niainga avy tao anaty fiarahamonina rahateo ary mahalala ny marary ny vahoaka. Tsy nikoso-maso ary nampiseho fahamatorana ity kandida vao 36 taona ity tamin’ireny adihevitra nifanaovan’ny samy kandida ireny, na tsikaritra ho nanaovana adim-borontsiloza aza. Nohenjehina amin’ny maha efa tompon’andraikitra ara-bola sy sekretera jeneraly teo anivon’ny kaominina, saingy sahy naneho fa na tao anatin’ny antsojay sy kapa ranjo tanteraka aza ny kaominina dia vitany ny nanodina azy, indrindra fa teo amin’ny lafiny ara-bola. Nampiseho  fa tanora nianatra sy feno fahamatorana. Efa voasedra, ka afaka ny hahavita tsara sy bebe kokoa. Raha manam-bola sy mizara vola ny kandida sasany, dia andeha hasehontsika fa isika manana vahoaka tsy hanaiky habadoina intsony, hoy izy manaitra ny hambompon’Antananarivo. Na ny tanora na ny raimandreny samy resy lahatra, fa azo hianteherana sy afaka ny hahavita zavatra I Rina Randriamasinoro.

Toky R

 

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • ANTOKO POLITIKA RPMU
  • Zoma 16 Oktobra 2026

« Tokony hiaraka amin’ny

  • Mirangorango ?
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

Manomboka mitombo ireo

  • Malagasy Miara-Miainga
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

"Mbola maro ireo fanamby

  • VMFR
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

Hafaingano ny dinika politika

  • Kolonely Randrianirina Michael
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

Mila mifoha isika

Hijery ny tohiny
FTT