Natomboka tamin’ny fonompoam-pivavahana tetsy amin’ny kianja mitafon’i Mahamasina omaly ny fampielezan-kevitry ny kandida ho ben’ny tanànan’Antananarivo , Rina Randriamasinoro, laharana faha- 2 ao anaty bileta tokana.
Izay aho vao nahita toriteny ka nisy tehaka, hoy ny filohan’ny antoko politika Tiako i Madagasikara na TIM, Marc Ravalomanana, izay nanolotra ity kandida ity. Vavaka izany, hoy izy, ary misaotra an’Andriamanitra lehibe fa nomeny an’ity andro androany ity ahafahany mitondra am-bavaka ny kandida Riana Randriamasinoro sy ireo kandida mpanolotsaina mpiaradia aminy. Mba ho tena mpanolotsaina tokoa anie izy ireo fa tsy sanatria ho toy ny sasany izay tsy tahotra tsy henatra dia nivadika. Loza, hoy ny filoha Marc Ravalomanana. Tafavory tao Mahamasina moa omaly ny kandida ben’ny tanàna sy mpanolotsaina manerana ny nosy. Tena mitsodrano anareo aho, hoy hatrany ny filoha Ravalomanana ary te hanafatra hoe aza matahotra fa minoa fotsiny ihany. Eo ianareo vahiny izay isaorana fa tonga hanampy ho fahombiazana. Ataovy izay hampandany an’i Riana.
Tsy maintsy hijoro isika
Zava-dehibe ny nanokafana ny propagandy tamin’ny fivavahana, hoy ny kandida laharana faha-2 ao anaty bileta tokana, Rina Randriamasinoro. Tsy maintsy hijoro isika Kristianina rehetra manoloana ny zava-misy eto Antananarivo. Ankinina amin’ny Andriamanitra ny zava-drehetra manomboka izao. Mahazo matoky ianao, hoy izy mantsy ny filoha Ravalomanana fa tsy diso safidy. Matokisa koa isika rehetra fa matoa aho nanaiky hirotsaka dia vonona. Mbola matoky isika fa hahavita zava-dehibe eto. Tsy handraraka ilo mby an-doha aho, hoy izy. Tsy maintsy hisy fiovana i Antananarivo manomboka izao ary ho hita taratra any anatin’ny fandahanasa izay hampahafantarina ny mponina eto Antananarivo mandritra ny fampielezan-kevitra izany. Tiantsika i Antananarivo ka tsy havelantsika hoviravirain’olon-kafa. Tsy aferako irery na ny TIM fa antsika rehetra ny fanavotana an’Antananarivo, hoy hatrany ity kandida ho ben’ny tanànan’Antananarivo, laharana faha-2 ao anaty bileta tokana ity.
J. Mirija
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.