Mbola haveriko ny teniko tamin'ny vao nirotsaka ary nohamafisiko tamin'ny faradoboka hoe izahay aza anaovana zavatra hafahafa fa isika samy nosoran-dreniny menaka, hoy i Rina Randriamasinoro hentitra dia hentitra ny sabotsy teo nanoloana ireo vahoaka tonga teny amin’ny Magro Behoririka.
Fahamarinana no tadiavintsika. Mbola hamafisiko izay. Misy ny efa zatra ny lalan-dririnina tamin'ny fifidianana filoha sy depiote fa aza manao hitsin-dalana aloha amin'ity indray mitoraka ity. Matoa aho nirotsaka ben'ny tanàna dia tena vonona hatramin'ny farany ary tsy afaka ny hamela fotsiny ireo vahoaka mitaky ny fahamarinana. Isaorana antsika satria mbola betsaka ny olona tia ny fahamarinana. Mbola betsaka no mbola tia an'i Madagasikara, tia an'Antananarivo, mbola mitsinjo ny taranaka faramandimby handeha amin'ny fahamarinana, hoy izy. Nambarany fa tsy misy mitady eto hoe ataovy mandresy aho na ataovy lany i anona na i anona fa ny fahamarinana havoaka dia ampy izay fa raha mbola mahita tsy fahamarinana dia hitaky foana. Nilaza ny tsy hitarika ny vahoaka hijanona herintaona na 2 volana na 1 volana izy. Manaraha fotsiny ny toromarika sy fandaminana. Tsy mitady korontana na sanatria hanongam-panjakana. Misy teknika ny fitadiavana ny marina, ka tsy misy olona hijanona eto amin’ny Magro Behoririka foana fa hitantsika ny lalana. Tsy raharahan'ny TIM irery fa mila fijoroan'ny rehetra. Hitan'izao tontolo izao io, hitan'ny fikambanana iraisam-pirenena ary efa misy manampy isika. Ny olona rehefa hiady dia tsy hotenenina ampahibemaso fa araho tsara fotsiny ny toromarika, hoy i Rina Randriamasinoro tamin’ireo vahoaka tonga tetsy amin’ny Magro.
Toky R
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.