Araka ny porofo be dia be izay voaray eto am-pelantanana, dia miroso hatrany amin’ny fikatsahana ny fahamarinana izahay manoloana ny fifidianana teo.
Betsaka ny hosoka sy tsy fetezan-javatra tao anatin’iny fifidianana io, hoy ny fanambaran’ny kandida Rina Randriamasinoro teny Bel’Air omaly. Nisy ny bileta efa voamarika niparitaka, nisy ny olona maro be tsy afaka nifidy kanefa afaka nanao izany tsara tamin’ny fifidianana depiote ary nisy ihany koa ny olona be dia be lasa afaka nifidy kanefa tsy afaka nifidy tamin’ny fifidianana depiote. Araka ny didim-panjakana 2019-59 tamin’ny 2 febroary 2019, dia milaza fa ny lisitra nifarana tamin’ny 15 mey 2019 ihany no manan-kery amin’ny fifidianana depiote. Io ihany koa no manan-kery tamin’ny fifidianana ben’ny tanàna. Ny didim-pitondrana 2019-1540 ihany koa dia milaza fa mbola lisitra io ihany no tokony hampiasaina tamin’ny fifidianana ben’ny tanàna. Tsy izay anefa ny zava-niseho satria betsaka no nesorina sy nampidirina tao anaty lisitra. Nangataka ampahibemaso ny CENI hamoaka ny “liste emmargée” tamin’ny fifidianana ben’ny tanàna sy depiote hanaovana fampitahana (confrontation) ny tenany. Te hampihatra ny mangarahara isika, ary ny CENI milaza fa fifidianana mangarahara iny ka ataovy aloha izay zavatra iray hangatahanay izay mba hisian’ny mangarahara eto Antananarivo, hataontsika fampitahana isaky ny birao fandatsaham-bato, ka mino aho fa hataonareo izany hisian’ny mangarahara, hoy ity kandida ity. Ny mangarahara no katsahintsika. Izaho tsy miteny hoe ataovy maharesy Rakoto na Rabe, hoy izy. Nanamafy ny tenany fa misy ny lalàna tokony ho narahina ka nivaona sa tsia ? Raha tena nanara-dalàna ny CENI dia tsy tokony hisy sakana amin’ny famoahana ny lisitra sy hanaovana ny fampitahana isaky ny Birao fandatsaham-bato mba hahafahan’ny vahoakan’Antananarivo mahalala ny tena zava-marina tamin’iny fifidianana iny, hoy izy. Efa mandeha ihany koa ny fitoriana, ankoatra io fitakiana ny votoatiny rehetra, raha tena nadio tokoa ny fifidianana.
Toky R
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.