Manohy ny fampielezan-keviny ny kandida Rina Randriamasinoro atolotry ny TIM ho ben’ny tanànan’Antananarivo Renivohtra ka toerana maro teny Ambohimanarina (Boriborintany faha 6) no notsidihany omaly.
Mitakosina amin’ny vahoaka, mitsidika ny fokontany sy ny elanelantrano rehetra izy miresaka amin’ny rehetra toy tanora, zokiolona, mpivarotra, mpianatra, renim-pianakaviana, mpanao fanatanjahantena ... Tanora mahavita azy sady manana ny fahaizana amam-pahalalana i Rina Randriamasinoro, hoy ireo mpanara-dia azy, izy rahateo efa tompon’andraikitra ambony teo anivon’ny kaominin’Antananarivo Renivohitra ka mahafantatra tsara ny fomba fiasa sy ny fitantanana. Nambaran’ity kandidan’ny Tiako I Madagasikara ity fa tsy mpivarotra makety izy ka hampiseho sarisary mandritra ny propagandy. Tsy misy mazia atao eto fa isika rehetra no miara-mientana. Fampanantenana ataoko hoy izy dia tsy maintsy hisy zavatra hiova eto ary hisy fiantraikany mivantana any amin’ny fanatsarana ny fiainam-bahoaka.
RTT
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.