Mihohy ny fampielezan-kevitra ataon’ny Kandida Atolotry ny Antoko TIM eto Antananarivo Renivohitra Rina Randriamasinoro.
Anisan’ny notsidihiny niaraka tamin’i Marc Ravalomanana sy ny depiote Feno Ralambomanana ny Boriborintany faha-3 omaly, toa an’Avaradoha, Ambohitrakely,…. Tsy misy zavatra nofinofy na kely aza, fa zavatra azo tanterahina no hataontsika, hoy izy. Efa nandinika tsara aho ny zavatra ilain’ny vahoaka dia tanàna madio, jiro mirehitra, misy ny rano, milamina ny tanàna,… Tena hojerena sy himasoana ny sosialim-bahoaka. Mamely ny kaominina no ataon’ny mpifaninana amin’izao fotoana izao, ka asa na mijery fitaratra. Raha kandidam-panjakana izy dia inona no zava-misy eto Iarivo izao ? Misy rano ? Mirehitra ny jiro ? Izany ve dia tsy menatra ihany ? Rehefa tonga ny fotoam-pifidianana dia lasa ianao mizara vola. 4 miliara ariary isan-taona no aloan’ny Kaominina Antananarivo amin’ny fanjakana amin’ny alalan’ny SAMVA, izay voaloa tsy misy trosa na ariary raha ny fanazavana efa nentiny. Ny fako anefa toa tsy notaomina sy natao fitaovana politika hanenjehana ny kaominina. Mila mijoro tsara isika. Raha manam-bola izy dia hoporofointsika fa isika manana vahoaka. Ny vahoaka tsy habadoina lava izao na hampahantraina, ka rehefa tonga ny fotoana ilanao azy, dia mody hizarazarana zavatra, hoy i Rina Randriamasinoro. Programa azo tanterahina no hataontsika ary andao hifanome tanana. Afaka mifampiresaka tsara foana isika ary hiaraka hanatanteraka izany. Efa fantatra fa mety hisy mpangalatra ho avy indray eo amin’ny 27 novambra, ka aoka isika ho mailo dieny izao, hoy ity kandida ity.
Toky R
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.